Dr Pierre Michel Ralaivelo

“Mila irosoana ny fanamboarana ny fomba fandraisana fitondrana”


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Tsy tontan’ny ela ny MFM na Mpitolona ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara,

hoy ny mpikatroka tanora eo anivon’ity antoko politika ity, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Raha olombelona izany 51 taona izany, hoy izy nandritry ny fankalazana ny tsingeritaonan’ny antoko tetsy Soanierana omaly, efa tena anaty famatorana tsara. Nanamarika izahay anio fa manome toky ny vahoaka malagasy fa tsy hihemotra amin’ny tolona izay atao. Isan’ny mila irosoana ankehitriny ny fanamboarana ny fomba fandraisana fitondrana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fifidianana madio, mangarahara ary tena mba olona lanin’ny vahoaka marina no mitondra. Izay no atao hoe “normalisation démocratique” na famerenana amin’ny laoniny ny demokrasia. 1992 ny MFM no nivoy an’io. Nitohy taty amin’ny taona 2002. Hatramin’izao isika mbola eto. Manohy ny tolona foana ny MFM. Mitady ny lavorary, miezaka mitady ny tsara dia izay hahasoa an’i Madagasikara isika, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT