Dr Pierre Michel Ralaivelo

«Manoro hevitra mpitondra


  • Zoma 03 Aprily 2026

koa asan’ny mpanao politika»

Ny noresahana teny an-kianja no fototry ny tokony atao anatin’izao fitondràna fanavaozana izao, hoy ny mpikatroka MFM, Dr Pierre Michel Ralaivelo. Tsy inona izany, hoy izy, fa isany ny falalahan’ny fahafaha-maneho hevitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fandavorariana ny demokrasia izay olana tena ngezabe satria nahatonga ireo ampihimamba teto amin’ny firenena dia nampiasain’ireo mpandraharaha izany ho fitaovana hampahomby ny fihariana niaraka tamin’ny lafiny politika. Mila avaozina ny mikasika ny fifi-dianana iraimanontolo izay ngezabe ahafahana miampita any amin’ny repoblika faha 5. Ahafahan’ny malagasy miara-miaina am-pirindràna eto Madagasikara dia ngezabe mila jerena koa ny fitsinjaràm-pahefàna. Ny rafitra hitantanana ny firenena, ny lalàmpanorenana ve ho ana firenena tokana sa misy faritany mizaka tena sy toy izany? Ho hita eo moa ny ataon’ny tompom-pahefàna fa izay voalaza izay aloha no tokony ho fototra. Mbola be dia be ny ezaka mila atao, raha tsy hilaza fotsiny, ohatra, hoe resaka mangarahara amin’ny fanendrena mpiasam-panjakàna ambony. Mangarahara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Iny izao ny resaka fiofanana hiditra ho mpitsara tao amin’ny ENMG. Ezaka lehibe ireny satria mbola tsy tonga any amin’ny fomba isorohana kolikoly izany isika izao fa efa nitranga ny tsy mety vao manao mpitsabo aorian’ny fahafatesana isika. Mbola be dia be ny ezaka mila atao ary mila manao ohatra ny mpitondra amin’ny fanatanterahana ireo notakiana teny an-kianja. Amin’ny fanendrena olona moa, indrindra indrindra, dia tokony hipetraka mazava ny hoe inona no antony hifidianana ilay olona? Inona ilay mason-tsivana mba ialàna amin’ny ahiahy be dia be hoe sao nisy nanindry an’izao sy izao? Ny filoha no mahafantatra ny andrasany amin’ny governemanta. Izy no nanendry. Manoloana ny fifandrai-sana iraisampirenena kosa dia mila mamaritra ny tiantsika ahatongavana isika! Inona no laharam-pahamehana tiantsika ho tanterahina? Fambolena sa fitaovam-piadiana, ohatra? Lalana sa zavatra hafa? Anjaran’ny governemanta no mamantatra ny tiantsika ahatongavana. Anjaran’ny mpisehatra politika koa no mikitika ny hetahetam-bahoaka hivadika ho vinam-piarahamonina entina mifampiresaka amin’ny mpitondra fanjakàna. Manoro hevitra mpitondra koa asan’ny mpanao politika. Izay no iandrasana fatra-tra ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony efa manomboka ny fifampiresahana ary izahay izao efa manao izany. Efa mifanatona ny antoko politika marobe. Efa mandeha ny adihevitra. Tsy voatery iandrasana mpitondra fanjakàna koa ny ady hevitra eny amin’ny fokontany fa tokony efa azo atao, hoy hatrany ny fanazavàna nentin’ity mpikatroka eo anivon’ny antoko politika MFM ity! J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT