Dr Miharisoa Ramananarivo

> Nampilanona ny vahoakan’Ambohimanarina


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Nandritra ny ora telo no nanoloran’ny kandida laharana faha-15 ao amin’ny Boriborintany faha-6 Dr Miharisoa Ramananarivo ny tarika Ny Ainga sy ny mpandihiny tao amin’ny kianja Madera mba hamalifaly ny vahoaka omaly.

Notsindrian’ity kandida ity fa tsy ny fanamboarana fotodrafitrasa no antony hilana ny depiote fa hanao lalàna sy hanara-maso ireo mpanatanteraka dia ny praiminisitra sy ny governemanta entiny ary indrindra ireo Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainy. Izany anefa tsy midika fa tsy afaka hanamboatra fotodrafitrasa ny solombavambahoaka. Afaka manao izany tokoa izy raha toa ka manana mpiara-miasa ka na avy eto an-toerana io na avy any ivelany, marihana fa efa hananan’ny Dr Miharisoa sy ny mpiara-miasa aminy izany.  Notsindriany fa manana olona voatendry 6 manana toerana ambony ao amin’ny fitondrana Ambohimanarina saingy mbola mijaly ny vahoaka madinika fa tahaka ny tsy misy mpiahy. Mbola mitohy kosa, hoy ny Dr Miharisoa ny fitsaboana maimaimpoana sy ny fitetezan’izy ireo ny isan-tokantrano hihainoany ny hetahetan’ny rehetra. Rehefa lany moa ireto kandida laharana faha-15 ireto dia hatolony hividianana rano ho an’ireo Fokontany rehetra ao Ambohimanarina ny tambin-karamany mandritra ny 05 taona hiasany, izy ihany koa dia manohana an’ny kandida Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT