Hifototra bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ny fifidianana hatao amin’ny 20 desambra ho avy izao, ka hampangarahara izany no ezaka ataon’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny antoko Leader Fanilo, Mamy Razafimahaleo sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny Distrikan’Ambositra, ka mikendry ny hampiakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Manentana ny vahoaka hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana mba hahazoana kara-pifidianana ho an’ireo izay tsy mbola nahazo no asa ataon’izy ireo.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.