Politique

Dr Jules Randriamaholisoa “Tsy ho mora io taona ho avy io”


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tsy afaka mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena sy maneran-tany amin’izao fotsiny izahay mpikambana ao amin’ny firahalahian’ireo CST sy loholona teo aloha na ACS, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, ny Dr Jules Randriamaholisoa.

Manome sosonkevitra ny fitondram-panjakana izahay, hoy izy, mba hahafahany miomana amin’izay mety hitranga amin’ny hoavy. Efa hitantsika sahady io ny fahantrana. Ny faty olona manerana an’I Madagasikara noho ny hanohanana. Antony hanoloranay hevitra izany hoe tokony hapetraka eto ny “état d’urgence économique et sociale” na hahamehana ara-toekarena sy sosialy. Sosokevitra ho fidiram-bola amin’izany, ohatra, ny famarotana ireo andramena ireo. Miliara dolara no vidin’ireo. Maninona no avela ho lo fotsiny? Zavatra tokony hanasoavana vahoaka, hamonjena ny kere sy matin’ny hanohanana any Ikongo sy manerana an’I Madagasikara. Tokony ho jeren’ny fanjakana akaiky koa ireo tantsaha amin’ny resaka fambolena. Tokony alefa ohatran’ny vary tsinjo sy tosika fameno koa ny hoe zezika tsinjo sy tosika masomboly. Jerena ny tany lemaka be dia be azo volena eto ary isaina. Jerena ny fomba ahafahana mitrandraka azy dia ny fanjakana no manajary azy. Eo ny resaka fandriampahalemana, ny tontolo iainana. Tsy ho mora io taona hoavy io. Eo ny ady any Okrainina, ny ady eo amin’ny koreanina tatsimo sy avaratra izay mety hisy fifandonana, ny an’I Chine sy Taiwan. Ireo raha vao mitranga eo ka tsy iomanantsika dieny izao dia isika no ho maty voalohany eto. Nandefa taratasy tany amin’ny CITES tany Geneve izahay tamin’ny taon-dasa mba hangataka alalana amin-drizareo hahafahan’ny fitondram-panjakana mivarotra ireo andramena ireo. Tsy mbola nisy valiny ary naverinay indray izany ny volana aogositra teo. Nahazo ny kopian’ireo taratasy ireo daholo ny fitondram-panjakana ka tokony hamafisin’ny fitondram-panjakana izay fitakiana nataon’ny ACS izay ho fanavotana ireo andramena ireo. Nambaranay any mihitsy fa “Crime contre l’humanite” na heloka amin’ny mahaolona ny tsy famelan’ny CITES hivarotra an’ireo satria miliara dolara ny vidiny ary hahafahana mamonjy ireo tratry ny kere, ireo matin’ny hanohanana any Ikongo, Atsimo atsinanana ary hahafahana manao famokarana faran’izay haingana ireo. Mbola hitohy io fitakianay io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT