Misesisesy ity ny fanambaram-pirotsahan’ireo maniry ny ho kandida filoham-pirenena rehetra amin’ity taona ity. Nanao izany koa omaly ny filoha nasionalin’ny antoko MAdagasikara FIvoarana (MAFI), ny Dr Rolland Jules Etienne, rehefa nampijoro ity antoko ity,
9 taona lasa izay. Raha ny tantaram-piainany, indrindra ny niatombohany nanao politika tamin’ny taona 2007 dia kandida anisan’ny hampitombo ny horohoron’ny kandidan’ny fitondram-panjakana koa ity dokotera ity. Ny rahalahin-drainy, Jules Ravony, no filohan’ny antenimierandoholona voalohany tamin’ny repoblika voalohany. Ny rahalahiny, Françisque Ravony, kosa no praiminisitry ny repoblika faha-III tapany fahatelo. 7 volana no nitantanany ny minisiteran’ny indostria tao anatin’ny governemanta Kolo Roger ary anisan’ny nanome vahana ireo orinasa Malagasy toy ny Tiko ny tenany, raha ny fampahafantarana teny amin’ny Panorama Andrainarivo omaly. “Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tenako, Hovaina ho lehiben’ny fokonolona ny lehiben’ny fokontany, hampiana ara-bola ny fokontany, haidina ny vidin-tsolika”, hoy ity kandida ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.