Dr Joseph Randriamiarisoa

«Tsy handroso mihitsy amin’izao krizy be dia be eto izao isika!»


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Na ny resaka fanapoizinana na ny Boeing 777 na krizy maro hafa isan-karazany

dia taratry ny fahalovan’ny firenena avokoa, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika UNDD, Dr Joseph Randriamiarisoa. Taratry ny tsy fahaiza-mitantana eto amin’ny firenena, hoy izy. Krizy ara-tsakafo na «crise alimentaire» mahakasika ny firenena manontolo teo no nandalo. Toy ny krizy hafa rehetra. Misy ny krizy ara-pahasalamàna, tsy fandriampahalemana, tsy fahatsapàna andraikitra, be dia be ny krizy eto amin’ny firenena amin’izao. Tsy dia ny fitantaràna azy no zava-dehibe fa ny vahaolana. Tsy maintsy atrehintsika fa tsy tononina na valiana am-bava fotsiny ireo krizy ireo. Misy fepetra maro amin’ny sehatra maro tokony ho raisina. Atomboka amin’ny sehatra tena maika be io. Maika ny delestazy, ny tsy fisiana rano, ny fahafahan’ny fanjakàna miasa. Ny voalohany mahatonga izao krizy izao dia ny tsy fahafahan’ny fanjakàna mamita ny adidiny sy andraikiny. Tomponandraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao ny fanjakàna vao ny olompirenena. Mila fomba fijery vaovao mihitsy isika izao. Mijery ifotony ny olana fa tsy manao vahaolana kimaimaika. Mila politika vaovao sy fomba fiasa vaovao matotra izany. Miainga amina fotokevitra matotra isika dia ny fiaraha-manaiky fa ny olona no vahaolana. Tsy olana ny olona fa vahaolana. Atrehina ny lafiny mahaolona amin’ny lafiny rehetra na fiainana io na fahafahana na fahasalamàna na fianarana. Fotokevitra voalohany izany ny hoe «Firenena mandroso, olona mandroso!». Faharoa, tsy misy politika mahasoa azonao atao raha tsy ny fanjakàna no mahavita ny adidy sy andraikiny. Fahatelo, tsy misy azo atao eto raha tsy misy filaminana. Mila fomba fiasa tena milamina, mirindra. Ny fahaefatra dia hoe tsy mahavaha olana isika raha tsy miray hina, indrindra, amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Mila manana fahafahana vao afaka miatrika ny fanatontoloana. Ny fahadimy dia ny fahalalàntsika hoe ny resaka fandrosoana dia resaka fananana ambim-bava. Tsy handroso mihitsy amin’izao krizy be dia be eto izao isika! Miankina indrindra amin’ny famokarantsika ny fandrosoana, miankina amin’ny fahafehezantsika ny volantsika, ny fahafahantsika mivarotra. Ny fahaenina dia hoe isika no anton’ny fandrosoana. Tsy miankina amin’ny FMI sy banky iraisampirenena io fa miankina amintsika. Tsy hahavaha olana mihitsy izao politika sy fomba fiasa ankehitriny eto amin’ny firenena izao ary izay no ilazàko hoe politika vaovao mihitsy. Samy nitondra ny vinany daholo ireo mpitondra nifandimby. Be ny ezaka nataontsika, ny asa nataontsika, ny asa vitantsika. Vokany nefa dia sahirana sy mahantra ny olona. Mikorosofahana ny firenena. Manamarina izany ny tarehimarika rehetra. Nanao ezaka ny tsirairay. Tao ny MAP, ny DSRP, ny Fisandratana, ny IEM, ny PEM nefa ny vokany dia mahantra ny firenena. Tsy nisy nitondra ny firenena any amin’ny fandrosoana maharitra izany ireo programa politika hatramin’izay. Tsy maintsy miala amin’ireo izany isika raha te handroso. Tsy resaka rafitra fotsiny io fa toetsaina sy fomba fiasa. Tsy maintsy miaiky isika aloha voalohany fa tsy nampandroso antsika ny natao teto hatramin’izay. Faharoa, rehefa manaiky an’izay isika dia manao politika vaovao sy fomba fiasa vaovao mba tsy handaniana andro sy hanaovana gorisagorisa eto fotsiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT