Politique

Dr Joseph Randriamiandrisoa Mitavozavoza sy tsy vonona ny fitondrana


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Midika ho tsy fahavononan’ny fanjakana amin’ny fifidianana ny fanemorana.

 Tsy voatery ho tsy fahavononana noho tsy fananana kandida, fa lafiny teknika. Izany dia efa manahirana satria efa voalza tao anaty lalàmpanorenana io, dia tsy natao ary manome endrika ratsy ny fitondrana ka tsy dia tsara ny fanemorana an’io na ilaina aza satria marina tokoa fa na ny mikasika ny isan’ny mpanolotsaina na ny resaka lisitra aza mbola manjavozavo, hoy ny fanehoan-keviny. Notsoriny kosa araka ny fahitany azy, fa misy fitavozavozana be ao. Mikasika ny satan’ny mpanohitra kosa dia misy foto-kevitra vitsivitsy tsara faritana tsara. Ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia raharaha politika, ka tompon’andraikitra voalohany ny antoko sy ny mpanao politika, hoy izy. Izany antoko politika izany dia mila manana hevitra sy programa politika mazava tsara. Rehefa miresaka satan’ny mpanohitra dia resaka antoko fa tsy resaka olona. Ny zava-misy amin’izao, manana ny Programany IEM ny mpitondra, izay tsy programa politika fa ekonomika ny fahitany azy, ary i Marc Ravalomanana sy ny TIM etsy ankilany milaza ho mpanohitra manana ny Manifesto sy ny MAP izay mazava tsara. Mety tsara, hoy izy ny hoe: ny mpitondra manao ny IEM, ary ny mpanohitra manao ny Manifesto sy ny MAP. Ireo sasany milaza sy te ho lehiben’ny mpanohitra; inona ary ny programany, hoy hatrany Dr Joseph Randriamiandrisoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT