Politique

Dr Jean Louis Rakotoamboa “Mitombo andro aman’alina ny tsy maty manota eto”


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Ny raharaha Bongolava, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Dr Jean Louis Rakotoamboa, dia toy ny raharaha mitranga amin’ireo faritra rehetra.

Fanjakan’ny baroa ilay izy, hoy izy. Ny governora tsy mifanaraka amin’ny mpampandeha ifotony any. Na prefe io na lehiben’ny distrika. Tsy mifanaraka amin’ny depiote koa izy na samy Mapar ihany aza ry zareo. Ady an-trano sy fifanalam-baraka toy ireny no misy nefa tokony hajaina ilay antsoina hoe “orthodoxie administrative” na fandrindram-pitantanana fa tsy samy manao izay tiany atao. Raha ny tokony ho izy dia manao tan-tsoroka amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana ny prefe. Ny olana anefa dia tsy misy akory amin’izao fotoana izao ny filankevim-paritra izay tokony hanapaka ny tokony atao any. Sady mandidy no mihinana ny governora. Hitanareo ireny any Melaky fa an-tapitrisany ny fahana laniana isam-bolana. Ny any Bongolava manao tranobem-paritra ny governora dia tsy fantatra hoe ohatrinona no lany? Tsy misy zava-bita akory. Ny tsy fandriampahalemana moa dia zava-doza amin’iny faritra andrefana iny. Endriky ny fitondrana mafia io. Izay ilay hoe tsy “initiative pour l’émergence de Madagascar” ilay IEM fa “initiative pour l’émergence des mafieux”. Hitantsika ireny ny ataon’ny governora aty amin’ny faritra Alaotra mangoro sy ny maro isan-karazany. Adalana daholo no miseho erak’io rehetra io fa tsy misy fampandrosoana vanona akory any. Any amin’ny minisitera no misy hoe volamena 36 kilao tsy hita nefa ianao praiminisitra lehiben’ny governemanta sady minisitra mpisolo toerana tao. Dia tsy hitanao ve izany? Miseho erak’io rehetra io ny aferana volamena sy halatra ary ny loza amin’ilay izy dia anarany misy fitsarana avo na HCJ eto saingy ilay dingana hoe ny 2/3n’ny mpikamban’ny antenimieram-pirenena no milaza hoe olo-meloka io olona io ka tokony ho tsaraina. Izay ilay izy vao mandeha. Hatreto anefa ny antenimieram-pirenena milaza hoe olo-marina daholo ireny. Mivaralila sy feno erak’io rehetra io izao ny afera isan-karazany na ataon’ny governora io na fitsarana na minisitera. Vadina minisitra no mitondra basy erak’io rehetra io. Asana mafia daholo ireny. Izay no mahatonga ny Teza sy RMDM hiteny mila manao fanorenana ifotony sy fanadiovana isika fa tena loza. Mitombo andro aman’alina ny tsy maty manota eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT