Dr Graziella Masindrazana

Gaga amin’ireo miarahaba manokana an’izay lasa minisitra


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Misy zavatra tsy azoko kely, hoy ny mpampianatra mpikaroka, ny Dr Graziella Masindrazana.

Inona moa izany no anaovanareo "félicitations" na iarahabanareo manokana an'ireny olona nahazo toerana minisitra ireny, hoy izy? Diniho tsara fa raha ny asa sy fanarenana miandry azy ireny no dinihina dia tokony hitomany sy halahelo azy mafy ireo manodidina azy sy ireo milaza fa tia azy ireny. Ny antony dia tokony tsy hatory andro sy alina hikaro-bahaolana ireny olona ireny. Tokony ho vaky loha hitady ny fomba ampiharana izany vahaolana izany. Tokony hahatsiaro fa mavesatra ny fo sy ny saina ary ny fanahy ambara-pahitana vokatra azo tsapain-tanana. Tokony hieritreritra sahady ny fivoahana amin’ny varavarambe satria tsy maintsy hivoaka ihany tsinona fa tsy hanao arozazy sy hibitaka. Tadidio fa raha mibitaka ianao no miditra eo dia ranomaso no hivoahanao eo! Hihevitra fa nomem-boninahitra. Asaina manompo vahoaka ianareo io ary ny hany haha voninahitra marina an'izany dia ny fahavitana izay fanompoana izay fa raha tsy izany dia mivadika ho fahafaham-baraka io seza io, toy ny efa mahazatra. 90%n’ny fotoana sy ny ron-doha dia ho laniana amin’ny fandinihana ny fomba hihinanana volam-bahoaka sy hampanan-karena tampoka sady tsy lera, hoy hatrany ny tenany gaga amin’ireo malagasy sasany miarahaba manokana an’izay lasa minisitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT