Dosie firotsahan-kofidiana

Mandalo fahasoratana ireo kandida


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Manomboka androany ny fanaterana ny taratasy fahafana mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, ary mifarana amin’ny 05 septambra ho avy izao.

Mahatratra hatrany amin’ny 15 ny taratasy ilaina ho an’ny kandida, ahafahana mandray anjara amin’io fifidianana io. Raha ny vaovao azo omaly anefa, dia misy ireo mitaraina, fa sarotra ny fikarakarana izany, toy ny fakana ny “certificat de nationalité” na ny fanamarinana ny zom-pirenena, tahaka izany ihany koa ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra na ny 211 bis,… Ny taratasy fandoavan-ketra izay tsar any manamarika fa amin’ny anaran’ilay kandida amin’ny maha izy azy na “personne physique” fa tsy “personne morale” satria misokatra ny adihevitra samihafa eny amin’ny tambajotran-tserasera, misy fitanisana orinasa sy ny maro hafa, ka soritana kely fotsiny izay mba ho fampahafanantarana ny olom-pirenena. Misy ny taratasy iay asaina hanamarinana samihafa tahaka ny eny anivon’ny Prefektiora ihany koa. Misy aza ny toerana sasany tena tsy hita ny tompon’andraikitra tahaka ny teny Antananarivo Atsimondrano raha ny fanamarihana azo omaly. Marina fa matoa mirotsaka ny kandida dia efa tokony niomana hatry ny ela, kanefa tokony hisy ihany koa ny fanafainganana sy fanamorana ny fikarakarana dosie satria misy hatrany amin’ny roa andro na mihoatra lavitra. Tokony hisy hatrany ihany koa ny fiandrasan-draharaha fa tsy hifampitadiavana hatrany ny tompon’andraikitra samihafa eny amin’ireo toerana hikarakarana ny antontan-taratasin’ny kandida.
Toky R
Légende: Isan’ny dosie takiana amin’ny filatsahan-kofidiana ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT