Politique

Doris Rakoto Samuel “Nigadra iny Malama, firy izay ireo fanafihan-dahalo ?”


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nigadra iny Mahery Lanto Manandafy, hoy ny vadin’ity mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera ity, Doris Rakoto Samuel, ny sabotsy teo.

1 volana katroka no nitazomana am-ponja azy "vonjimaika" sa tsy vonjimaika, hoy izy? Anatin'izay 1 volana izay, efa firy izay fanafihan-dahalo nifanesy izay? Firy ireo foloalindahy lavo? Firy ny vahoaka lavo? Raha ny fantatro fotsiny toy ny tao Menabe izao dia miisa 5 no naratra mafy. Zandary sy sivily ireo. Antsalova, fanafihana tanana izay depiote IRD notononin'i Mahery ho iray tambazotra amin’ity vahiny no voalazan'ireo fokonolona fa maniraka dahalo anafika azy. Ity vao omaly (TTF: ny zoma teo), zandary iray maty, kapiteny hafa voatifitra. Mamerina aho , ary mbola tazomiko, “cause noble” na antony mendrika no niadian'ny vadiko. Tohanako, ary aza atosika haka vahaolana mampiasa hery na “solutions extrêmes” ny olona. Avoahay Malama , fongory ireo mpamono malagasy, hoy hatrany ny antsony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT