Politique

Doris Rakoto Samuel “Ataovy ny fampitahana !”


  • Zoma 17 Martsa 2023

Andoharanofotsy ataontsika hoe misy vahoaka 58.000 isa, hoy ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Doris Rakoto Samuel.

Tanjombato 50.000 dia handeha hampifalifaly vahoaka hitokana EPP hono i “président” dia sakanany ve ny fifamoivoizan’ny olona miisa 110.000 eo ho eo hampifalifaly mpianatra 600 isa? Ny avy any Iavoloha mandeha tongotra Andoharanofotsy mandray “bus”. Mba lojika ve izany? Ny ahy moa izany tara ny sakafom-badiko ( TTF: Mahery Lanto Manandafy, mpampaneno lakolosy voafonja) fa handalo hono i “president” dia tapahana daholo ny lalana. Olona mpitarika sarety manosika gony saribao amin- taonina miodina any Ankadilalampotsy. Fitohanan’ny fifamoivoizana Ankaraobato tsy lazaina. Sosotra ny vahoaka mamonjy lera. Mijanona daholo ny fiainan'ny malagasy andalovany. Mba betsaka ny “président” nifandimby teto fa tsy nisy nanapaka lalana izany raha tsy efa mandalo ny kortezy. Ataovy ny fampitahana izay betsaka, ireo “même tête” manaraka lava anao ireo sa ny vahoaka sorena amin'ny fikatsohan'ny fiainany, hoy hatrany ny fanontaniana napetrany manoloana ny fanapahan-dalana nialohan’ny hizoran’ny filoham-pirenena tamin’ireo toerana voalaza tetsy ambony ireo omaly ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT