Dora Rabalison

> Hirotsaka amin’ny politika


  • Alakamisy 28 Novambra 2013


Mpanao asa soa efa hatramin’ ny taona 1999 teto Madagasikara sy tany Frantsa i Dora Rabalison. Na dia nipetraka ela tany ivelany aza izy dia tonga eto an-toerana ankehitriny ary anisan’ny milatsaka hofidiana kandidà solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fahadimy miaraka amin’ny antoko MDM. Filohan’ny fikambanana Framadon na France Madagascar Donation izy ary niompana betsaka tamin’ny asa sosialy ny hetsika nataony hatramin’izay ary tsy olom-baovao akory izy fa efa sakaizan’ny vahoaka hatrany raha ny voalazany. Milaza ho mahalala ny maharary ny vahoaka izy ary vonona hanohy ny ezaka efa natomboka. Tsy misy fandriampahalemana eto amintsika, hoy izy no sady miha mahantra isan’andro ny vahoaka ka vonona ny hihaino sy handray ny hetahetan’ny vahoaka izy ary hisolovava azy ireo any amin’ny Antenimieram-pirenena raha lany soa aman-tsara.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT