Asa fampihorohoroana ! Mbola io aloha izao no vaovao mitana ny sain’ny maro, taorian’iny zava-doza nitranga tao Paris renivohitra Frantsay ny alin’ny zoma 13 novambra 2015 iny, izay nahafatesana olona 129,
ka vehivavy teratany Malagasy, avy any Antsiranana ny iray amin’ireo namoy ny ainy, ary naharatrana an-jatony maro.
Vao mainka mampitsangam-bolo raha mahita ny vaovao mivoaka an-gazety any ivelany, milaza fa Renioney niofo ho Djihadista mipetraka any Syria no nanambara tamin’ny alalan’ny horonantsary fa ry zareo no tompon’antoka tamin’iny tranga tany Paris iny. Atsy amin’ny Nosy Maorisy indray dia maro ireo mpanao facebook mandokadoka sy manohana ny Daech na ireo mpampihorohoro any Syria ireo.
Na eo aza anefa izany dia tsy mbola manana fepetra noraisina manodidina ny fisian’ny asa fampihorohoroana tany Frantsa farany teo iny ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena malagasy. «Efa misy fifanakalozan-kevitra tsy miato eo anivon’ny samy tompon’andraikitry ny fiarovam-pirenena na dia tsy mbola nisy aza ny fepetra lehibe noraisina ny amin’izay mety ho fitandremana tokony hatao manoloana ny fivezivezen’ireo mpanao vy very ny ainy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana», hoy ny fanazavana nomen’ny jeneralin’ny tafika iray. Tsy mahakasika an’i Madagasikara mivantana iny zava-niseho tany Frantsa iny saingy ny nahafantarana fa efa nipetraka ela tao La Réunion alohan’ny nifindrany nankany Syria i Fabien Clain na i Omar, ilay nanao ilay horonantsary nanambara ny mahatompon’antoka azy ireo tamin’iny asa fampihorohoroana tany Frantsa farany teo iny dia tokony hampiova ny fijerintsika ny toe-draharaha. Amin’izao fotoana izao dia miroborobo fatratra koa ao amin’ny nosy Maorisy ny fanohanan’ny tanora ny hetsiky ny «jihad islamique» amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook. Toe-javatra izay tena tsy mampandry andro tsy mampandry alina ny mpitondra fanjakana maorisianina, eny fa hatramin’ny mpanohitra any an-toerana ihany koa aza. Ho an’i Madagasikara indray dia efa nisy fotoana, nandalo teto amintsika ny sampam-pitsikilovana Amerikanina sy Frantsay ary ny Afrikanina tatsimo. Tsy niara-tonga izy ireo fa nisesy kosa ary hafa ny fototry ny diany ambarany amin’ny fomba ofisialy kanefa raha ny marina dia fanaraha-maso no nataon’izy ireo teto araka ny vaovao azo avy tamin’ny mpitandro ny filaminana ihany. Nandeha be mantsy ny resaka efa herintaona talohan’izao fa misy «jihadista» mandalo eto Madagasikara. Izany tranga rehetra izany no mampieritreritra hoe tsy tokony ho variana ihany isika eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.