Distrikan’i Manjakandriana

Efa miasa ary tena hiasa ho an’ny vahoaka i Zoky Misa N°2


  • Talata 21 Mey 2024

Miroso ny dia ho an’ny kandida Zoky Misa laharana faharoa ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana.

Maneho hatrany ny tenany fa mbola tsy lany dia efa miasa sy manome asa mivantana ho an’ny tombotsoa iombonana. Mitondra tan-tsoroka ho an’ny mpiara-belona. Mampiseho haitarika nentina namondronana ny fokonolona hiara-hisalahy, toy ny fiaraha-manamboatra ireo teboka tena ratsy na « point noir » eny amin’ny lalana, izay tena mavitrika tokoa ny vahoaka miara-misalahy aminy, ka ity kandida ity sy ny ekipany no miantoka sakafo ho an’ireo vahoaka eny am-panatanterahana ny asa. Ankoatr’izay ny fanolorana tafo ho an'ny tobim-pahasalamana sy fianarana sasantsasany ao anatin’ny distrika. Ho an’ny tanora dia manolotra isika baolina sy « maillot » ary « filet » izay hapetraka ho fananan'ny kaominina mba tsy hanofa isaky ny mikarakara lalao ara-panatajahan-tena. Mizara fintana fa tsy mizara trondro ny Kandida Zoky Misa, ka manomboka miparitaka ireo Ivon-toeram-piofanana na « Centre de formation » ao anatin’ny Distrikan’i Manjakandriana, izay fiaraha-miasa amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na ny FTT tarihin’Atoa Tahina Razafinjoelina. Ity farany izay mety hidina ifotony tsy ho ela any amin’ny distrikan’i Manjakandriana, raha tsy misy ny fiovana. Efa misy 3 izao no efa voatsangana dia ny ao amin’ny Kaominina Sambaina, Miadanandriana, ary Ambatomanga. Tombony ho an’i Zoky Misa ny maha tena zanaky ny distrika sy mahalala tsara ny filan’ny faritra sy ny vahoaka. Tena olom-baovao , ary tena miasa na mbola tsy mahazo toerana aza. Manana « cabinet juridique » ary hiezaka handray izay fitarainan' ny mponina ny tenany, ary mieritreritra hametraka ny antsoina ilay antsoina hoe : « bureau de doléances » na birao fandraisana fitarainana, hahafahana mihaino sy mifampiresaka tsy tapaka amin’ny vahoaka, hitondrana sy hiadiana ny tombotsoan’ny valalabemandry eny anivon’ny Antenimiera. Manentana hatrany ny vahoakan’ny distrikan’i Manjakandriana noho izany i Zoky Misa handrotsaka ny laharana faha-2 amin’ny 29 mey ho avy izao, ka nanome toky fa tena hiady sy hiasa ho an’ny vahoaka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT