Distrikan’Antanifotsy

Notsoahina ny « motos » 9 amin’ny 11 tany amin’ny ben’ny tanàna


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Nalaina tamin’ireo ben’ny tanàna miisa 9 amin’ny 14 ao amin’ny distrikan’Antanifotsy ny motos nomena azy ireo,

raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Toromarika avy amin’ny governoran’i Vakinankaratra no nakana ireo, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny kandida solombavambahoaka izay mitarika ao amin’ity distrika ity. Fifandrifian-javatra ihany ve hoe : taorian’ny fifidianana izay tsy nahombiazan’ny kandidam-panjakana tao an-toerana no isehoan’izany ? Betsaka rahateo ny endrika fanambazana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry mba hanomezana vahana ny kandidam-panjakana, toy ny fisiana fanoloana sefom-pokontany maro nialohan’ny fifidianana, ny fizarana motos,… Na ireo ben’ny tanàna sasany izay ampitenenina hiaro kandidam-panjakana sy hiampanga kandida heverina fa lany toy ny ao amin’ny distrika iray anatin’ny Faritra Itasy aza dia toa mamofompofona tsindry, toy ny mety ho fanatsoahana ireo moto nozaraina, fanenjehana eny amin’ny Bianco na fandefasana mpitsirika IGE (Inspection générale de l’Etat), tsy fisafisianana azy ho kandida amin’ny fifidianana ho avy,… Raha miverina ao Antanifotsy nisiana fakana ireo motos nomena ny ben’ny tanàna dia resy hatreto ny kandidam-panjakana. Raha ny vokatra feno avy amin’ny SRMV tao an-toerana tamin’ireo birao fandatsaham-bato 318/318 mantsy, dia mitarika mazava amin’ny salan’isa 32,24% amin’ny alalan’ny isam-bato 32802 i Narson Rafidimanana ; faharoa nahazo 21,21% amin’ny alalan’ny isam-bato 15002 ny kandida tsy miankina Rajoelimalala Elio ; ary any amin’ny fahatelo nahazo 20,24% nahazo vato 14315ny kandidam-panjakana Andrianantenaina Tolojanahary. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy, fa natao izay fomba rehetra hahararaka ny kandidan’ny Vovonana Firaisankina Atoa Narson Rafidimanana, izay efa tsy nomena ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra rehefa naka izany tany amin’ny Ivon-ketra tao Toamasina saingy nampiakatra teny amin’ny CENI vao nekena ho kandida. Nakatona avy eo ny radiony, rehefa hita fa tena betsaka ny vahoaka nanohana ity kandida ity. Dia io heverina fa any amin’ny tsy mivonto io no manaintaina satria ireo ben’ny tanàna no nesorina ny motos. Tsy nahavita ny iraka na « mission » hampandany kandidam-panjakana ve dia notsoahina ireo fitaovana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT