DISTRIKAN’ANTANANARIVO AVARADRANO

Vonona hampandroso ny faritra misy azy ny Ben’ny tanana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

isaky ny roa volana ho an'ireo Ben'ny Tanana ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ankoatra ireo tatitra mahakasika ny asa vitan'ny Ben'ny Tanana tsirairay sy ny fanamarihana isan-karazany mahazatra dia noresahina manokana ny mahakasika ny Komity Loharano, ny karnem-pokontany misy "QR Code", ny tetikasan'ny fitondram-panjakana ao amin'ny distrika, ny tsara ho fantatra momba ny fifidianana solombavambahoaka izay hotanterahina ny 29 May ho avy io ary ny "RALE 2024" na ny Fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Ny Lehiben'ny Distrika Antananarivo Avaradrano no nitarika ny fivoriana ary nahatonga solontena avokoa ireo rantsa mangaika avy amin'ireo solontem-panjakana sy ny olom-boafidy ary ireo olom-boatendry, ny avy amin'ny mpitandron'ny filaminana, ny fahasalamana ary ny fampianarana. Niarahaba manokana ny Sefo Distrika Ramiandrisoa Mahefandrainibe Haritiana ireo Ben'ny tanana noho izy voatendry hiasa indray eto amin'ny Distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Fanamby napetrak’ireo Ben’ny tanana rehetra moa ny mba hahafahana mampandroso hatrany ny faritra misy azy ho tombontsoan’ny vahoaka eny ifotony.
Pati
Legende : Tsy mitovy loko politika ireto Ben’ny tanana ireo saingy samy vonona ny hampandroso !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT