Politique

Distrikan’Ambositra « Maika ny volavolan-dalàna momba ny tantsaha »


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Teo amin’ny andraikitry ny fahefana mpanatanteraka ny tenanay teo aloha, hoy ny depiote vaovao voafidy ao amin’ny distrikan’Ambositra, Marie Monique Rasoazananera, ary ankehitriny dia mandray ny toeran’ny fahefana mpanao lalàna.

 

Isaorana Andriamanitra satria izany dia nahafahana nijery ny laharam-pahamehana amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Olom-boatendry aho teo, hoy izy, ary olom-boafidy ankehitriny. Ny dikan’izay dia nisy fomba fiasa naharesy lahatra ny vahoaka tao matoa aho nametrahany fitokisana. Maro ny tolo-dalàna maika tokony hatolotra eny anivon’ny antenimieram-pirenena mikasika ny distrikan’Ambositra, raha ny nambarany. Eo amin’ny lafiny sosialy, ohatra, dia ny mikasika ny tantsaha mpamokatra no voalohany. Ireo mpamboly sy mpiompy ireo dia maniry hanana hoavy rehefa antitra ka ahoana no ahafahany mahazo famatsiana hanatsarany ny fihariany ? Ny lafiny asa tanana koa, hoy izy, satria voalaza fa renivohitr’izany Ambositra kanefa tena misedra olana io sehatra io, indrindra, eo amin’ny resaka akora. Raha eo amin’ny resaka hazo fotsiny, ohatra, dia anisan’ny akora tsy maintsy hiasana io kanefa etsy an-kilany entanina ny fikajiana ny tontolo iainana. Mila apetraka koa, hoy hatrany ny tenany ny volavolan-dalàna mijery ny tontolo iainana sady mijery ny olombelona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT