Raikitra ny angaredona !
Mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana solombavam-bahoaka tany Soalala ireo vondron’ny kandida miisa 10 amin’ny 15 nifaninana tany an-toerana. Marihina fa nilavo lefona nialoha ny fotoana, tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny telo, raha mbola misalasala ny iray amin’izy ireo. Tamin’ny teny hentitra no nilazan’i Mohamad Chei dit Sebass (Movansy Ravalomanana) sy Hamady Bin Mohamad (MTS) ary Sanikoa André (MAFI) solontenan’izy ireo niakatra eto Antananarivo fa nanjakan’ny hosoka tanteraka ny fifidianana tany Soalala, Faritra Boeny tamin’ny 20 desambra iny. Efa nametraka fitarainana eny anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana momba izany miaraka amin’ny porofo izy ireo, ary mangataka ny hanafoanana ny vaton’ny kandida laharana faha-13 izay tondroin’izy ireo ho fototry ny olana, fa nitondra olona avy any Mahajanga, Antananarivo ary voalaza aza fa nisy olona avy any Kaomaoro nentina nifidy tao Soalala. Nisy fahatarana ora roa mihitsy moa ny fanombohan’ny latsa-bato tamin’io 20 desambra io fa tsy nanaiky ny hampifidianana ireo “mersenera” ireo ny vondron’ny kandida. “Misy olona aman-jatony ao Soalala mitomany fa noverezin-jo tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana, ka tamin’ny fomba ahoana no nahatafiditra ny anaran’ireo mersenera an-jatony maro ireo ao anaty lisi-pifidianana, nefa ny Sefo Fokontany aza milaza ary nanao taratasy fa tsy mponina ao aminy izy ireo”, hoy i Hamady Bin Mohamad.
Miala andraikitra ny CED izay rantsamangaikan’ny CENI-T, ka mampiahiahy ireto vondrona kandida ireto sao mba komity mpanohana kandida iray ? Fa tranga mampametra-panontaniana azy ireo koa ny nanendrena filohan’ny birao fandatsaham-bato nefa olona tsy voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana akory, toy ny tao amin’ny Tranompokonolona BV lah-1 sy ny tao amin’ny Biraon’ny Fokontany BV lah-2, izay tsy voasoratra n’aiza n’aiza ny anarany. Maro ny tsy fanarahan-dalàna sy hosoka tsikaritra tamina birao fandatsaham-bato niisa sivy, toy ny fisiana lavotondro maromaro nataon’olon-tokana tao anaty lisi-pifidianana nentina nampitomboana ny isan’ny mpifidy, ny nanjavonan’ny voka-pifidianana tamina biraom-pifidianana niisa valo, izay re nony taty aoriana fa olon-tsotra no nanatitra azy any Mahajanga. Asa na fifanojoan-javatra ihany na misy ifandraisany amin’ireo tranga ireo, fa nisy nanafika tao Mitsinjo izy telo lahy solontenan’ny vondron’ny kandida ireto raha an-dalana hiazo an’Antananarivo hametraka ny fitaraina any amin’ny CES. Olon-kafa, mponina ao Soalala, anefa no voatifitra ka maratra mafy ary tsaboina ao Mahajanga ankehitriny.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.