Distrikan'i Morombe

Mahatsiaro ho voahilikilika ireo tena nanohana an-dRajoelina


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Lasa toy ny tantara mitohy ny fitarainan'ireo olona any ifotony na ny "base"

TGV noho ny fanilikilihina ireo ambara fa tena nitolona sy nampandany ny filoham-pirenena tamin'ny fifidianana farany teo. Itrangana olana indray ny ao amin'ny distrikan'i Morombe . Nijoro i Rakotomalala Biry Golbert, filohan'ny fikambanama Fomela sy Ramamonjisoa Herizo, Ben'ny tanànan'Ambahikily no sady filohan'ny fikambanan'ny ben'ny tanàna ao Morombe. Izahay mahalala ny zava-misy aty ifotony, hoy izy mirahalahy, ka mitatitra ny alahelon'ireo ben'ny tanàna satria olona hafa tsy tokony hahazo fankatoavana indray no nomena izany ka ho kandida solombavambahoaka. Noho izany dia nanapa-kevitra ny ho kandida amin'ny lisitra mahaleotena izy ireo hitondra tokoa ny tena hetahetam-bahoaka ary manao antso avo amin'ny foibe fa olona nanaratsy ny Filoha ve no atao kandida. Endrika iray hisehoan'ny fanilikilihina ataon'ny antoko eo amin'ny fitondrana ity mitranga any Morombe ity, manaporofo indray fa resaka ambony latabatra tsy mahalala izay zava-misy marina any ifotony no hanapahan-kevitra. Toa manamarina ihany koa fa an'olom-bitsy ny fanapahan-kevitra ary manjaka ny kiantrano an-trano.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT