Politique

Distrikan’i Miarinarivo Hiara-kiasa amin’ireo ben’ny tanŕna tsy ankanavaka ny depiote


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Miarahaba ny ben’ny tanŕna vao lany tao amin’ireo kaominina 14 ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo ny tenako, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, ny depiote Ravahimanana Guillaume, avy amin’ny TIM

 

. Mitsodrano azy ireo hahaleo hahalasa ny tenako amin’izao adidy lehibe sahanin’izy ireo izao. Efa vita izay ny fampielezankevitra, ka amin’ny maha solombavambahoaka ny tena dia mankato ireo voka-pifidianana nivoaka izahay ary manohana ireo lanin’ny vahoaka ara-demokratika na inona na inona firehany ka vonona hampandroso ny distrika. Marihako fa tsy teto an-toerana ny tenako nandritra ny fotoana naharitraritra noho ny fikarohana fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ireo kaominina ireo. Miarahaba koa azy ireo ihany aho nahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fiofanana teto Antananarivo farany teo. Na dia be aza ny asa niraisana tamin’ireo kaominina voalaza ireo nandritra ny herintaona sy tapany izay dia mbola hotohizana hatrany izay tsy vita ary hatomboka ny vina vaovao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT