Nidina an-dalambe ny mponina tao amin`ny distrikan`i Mahabo mba hangataka amin’ny fitondram-panjakana hijery ny depiote voafidy tany aminy dia Raveloson Ludovic dit Leva Sydney.
Am-pilaminana no hitakiana ny fijerena manokana ity solombavambahoaka ity, hoy i CHEBAL Mohamed, filohan`ny komity mpanohana ny depiote Leva. Nanararaotra nisaotra ny CENI sy ny HCC ny tenany namoaka ny voka-pifidianana ka nahalany ny depiote notohanany. 32%-n`ny vahoaka eto amin`ny distrika no nandany an`ity depiote ity kanefa manana olana ity farany. Notsipihany fa tsy anjaran`ny vahoaka no mitsara ny tribonaly naka izay fanapahan-kevitra izay fa kosa tokony hojerena ny momba azy satria fanapotehana ara-politika io. Marihana fa ny 03 jona lasa teo no nivoaka ny didim-pitsarana tamin`ny raharaha mahavoasaringotra an-dRaveloson Ludovic. Voaheloka dimy taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy fandoavana onitra izy. Voasazy higadra telo taona miampy fandoavana onitra telo tapitrisa ariary kosa ny zanany lahy iray. Raharaha fanimbana ala tao amina faritra arovana Menabe Antimena sy fanararaotam-pahefana ary fitrandrahana ala tsy ara-dalàna no nitsarana an-dRaveloson Ludovic.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.