Distrikan’Ambohidratrimo

> Efa voasedra ireo kandidan’ny ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Olom-boafidy efa nitantana teny anivon’ny Kaominina sy mpifanerasera mahalala tsara ireo filŕna sy ny hetahetan’ny mponina ifotony no natolotry ny antoko Zanak’i Dada avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hirotsaka ho solombavambahoaka ao anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo.

Ireo olona dimy miray lisitra ireo ihany koa dia mahasolotena ireo lafintany mamaritra ity Distrika ity, hoy ny Ben’ny tanànan’Anosiala teo aloha, Rabenirina Mamy izay mitarika ity ekipa hifaninana ary vonona haka toerana eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ity. “Midika zavatra goavana ny anton’ireo safidy niantefa taminay dimy mianadahy ireo satria efa ampy tokoa raha ny traikefa niainanay nandritra ny 10 taona niasana satria fantatray tsara ny filàn’ireo vondrom-paritra sy ireo sakana mila vahana mba hisian’ny tena fampandrosoana ny fiarahamonina”, araka ny fanampim-panazavana nomeny. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny paikady entina ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy rahateo izany fa indrindra indrindra mba hisy fiantraikany amin’ny izay ilain’ny vahoaka hita ao anatin’ireo Kaominina ambanivohitra miisa 25 sy manakaiky kokoa ny renivohitra ho fandrindrana ireo sehatr’asa fampandrosoana ao Ambohidratrimo. Laharam-pahamehana ho an’ireo kandida roa solontenan’ny firehana Ravalomanana dia Rabenirina Mamy sy Rakotoniaina Annie, ny fijerena akaiky ireo lalàna na ny efa misy izay tokony havaozina na ny famoronana lalàna vaovao izay mila mifanaraka amin’ny toetrandro sy ny zava-misy iainan’ny mpiara-belona ary tena fanoitra ho amin’ny fampandrosoana ifotony sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Raha ho an’ny olom-pirenena ao Ambohidratrimo manokana dia efa tonga ny fotoana hiverenan’ny firenena ao anatin’ny tany tan-dalàna ary efa noporofoiny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra 2013 izany, hoy ny lohalisitry ny kandida Zanak’i Dada avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT