DISTIM AVARADRANO

Ny kandidan’ny Firaisankina ihany no tohanan’ny TIM


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Mifamahofahobe ihany ny mikasika ny fanohanan’ny tanora na mpikambana

ao anatin’ny antoko TIM ireo kandida hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Samy milaza hatrany izy ireo fa tohanan’ny TIM amin’izao fifidianana izao, antony nahatonga ny filoha lefitry ny DISTIM ao Avaradrano Randriantsoa Jimmy nivoaka tamin’ny fahanginana omaly. Nambarany fa raha naharaka ny toe-draharaham-pirenena isika dia nilaza hatrany ny filoha teo aloha Ravalomanana fa tsy manohana afa-tsy ny kandida hatolotry ny Firaisankina ny mpikambana eo anivon’ny antoko TIM rehetra na tanora na olon-dehibe. Midoika izany hoy Randriantsoa Jimmy fa mpandainga sy mpisoloky izay miteny sy milaza izany. Porofon’izany hoy izy ny tsy nahavitan’ny sasany zavatra tao anatin’ny distrikan’Avaradrano mihitsy hatramin’izay satria efa zatra mandainga amin’ny vahoaka izy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, filoha lefitry ny DISTIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT