DISTIM AVARADRANO

Noravana ny teo aloha, voatendry ho filoha vaovao


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Ho setrin’izay dia tafatsangana ihany koa ny DISTIM vaovao tarihin’Atoa Avotraina Andriamosa izay voatendry ho filohany, arahin-dRandriantsoa Jimmy, filoha lefitra. Tonga nampahafantatra izany tamim-pomba ofisialy ny birao politikan’ny TIM nahitana ny mpandrindra nasionaly sy ny talen’ny kabinetra. Tsy tonga noho ny fivorian-dehibe tsy maintsy natrehiny kosa ny Filoha teo aloha Ravalomanana saingy na izany aza efa nandefa ny tso-drano ho azy mirahalahy voatendry ireto ny tenany mba hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra makadiry izay tsy maintsy hosahaniny. Nivoitra nandritra izany ary fa tsy maintsy miainga avy amin’izy roalahy Ben’ny tanana am-perin’asa ireto avokoa ny toro-marika rehetra ho an’ireo mpikatroka TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Tanjona ny hahafahana mandrindra sy mandamina ny fiainan’ny antoko amin’ny ankapobeny indrindra ny hitazonana hatrany ilay toe-tsaina Tiako I Madagasikara izay miroso hatrany mankany amin’ny fampandrosoana.

Pati
Legende : Ny birao politikan’ny TIM tonga nanolotra ny DIS TIM vaovao teny Ankadikely omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT