Diplaomasian’ny Fitondrana Rajoelina

Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika…


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Manana fahalemena ka mbola mipetraka ho tsy ambony tsy ambany i Madagasikara

eo amin’ny lafiny diplaomasia. Tsy tena mivadika ho hery hanosika ny Firenena hiakatra sy hivoatra ara-toekarena ny diplaomasia Malagasy, fa mievaeva eo. Zara raha nisy ambasadaoro 5 tamin’ny dimy taona voalohany nitondran-dRajoelina dia tany France, Chine, Maurice, Unesco, ary ny tany amin’ny Vondrona Eoropeanina tany Bruxelles. Avy eo nisy nihevaheva teo aza ny sasany rehefa nisy fotoana nantsoina ho Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla izay niantsoroka ny Unesco. Nesorina vao roa herinandro latsaka ny Praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky izay tany Bruxelles. Betsaka ny fampanantenana fa hanendry ambasadaoro maro, ka nisiana serasera sy fanangonana « CV » nahatratra 303 tamin’ny naha minisitra ny raharaham-bahiny an’i Patrick Rajoelina fa tsy hita avy eo izay vokatra. Betsaka anefa ireo Firenena sy toerana stratejika tena ilana ambasadaoro. Na ny Minisitry ny raharaham-bahiny aza moa efa fanimbalony tao anatin’ny 6 taona ny Minisitra ankehitriny Rtoa Rasata Ravaravavitafika, izay isan’ny taratry ny tsy fahamarinan-toerana. Nanamarika ity Fitondrana ity ny fandroahana ankolaka ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina Rtoa Isabelle Delattre nisolo tena Firenena 27 rehefa sahy nilaza ireo tsy fahombiazana sy tsy fangaraharahana teo amin’ny fiaraha-miasa, toy ny resaka fanamboaran-dàlana, ny resaka lalàna izay nambara fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara,… Tena stratejika be ary miankina amin’io anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola mahazatra izay nolazaina tamin’ny 2018 fa tsy handroso isika na amin’ny 2060 aza raha ireo. Nanao diplaomasia tsy te ho ratsy amin’ny atsy sy aroa tamin’ny resaka adin’i Russie sy Ukraine, ary nanalana minisitra mihitsy ny ambara fa fahadisoan-tsafidy, niresahana fa diplaomasia ara-toekarena misokatra amin’ny rehetra fa tsy hita izay vokatra nentiny. Atao pimaso ny arabo, antonina ny sinoa, iarahana manao fanambarana ny Rosianina, italahoana ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI,… fa tsy hita izay tena vokany. Ratsiratsy laza atsy dia mitangirika atsy, fa ny eo ihany no eo! Ny mampanahy aza dia toa lasa bizina ara-toekerana misy endrika bizina fivarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka ny sasany. Zava-dehibe ny nanendrena Ambasadaoro any Etazonia dia ny Minisitry ny indostria teo aloha Ratoa Lantosoa Rakotomalala, izay nandray ny asany ny volana janoary teo. Afaka tena hametraka fahombiazam-pifandraisana miabo eo amin’ny Firenena roa tonta sy hahafafa ny laza ratsin’i Madagasikara ve anefa toy ny fiarovana ny fisitrahana ny tsenan’ny AGOA ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT