Diplaomasia sy politika

Nihaona tamin’ny Filohan’ny « Sénat » ny Ambasadaoro Frantsay


  • Talata 16 Janoary 2024

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an Filohan’ny Antenimierandoholona,

Ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara GUILLOIS Arnaud ny andron’ny omaly alatsinainy 15 janoary 2024. Nifantoka bebe kokoa amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana efa nisy hatramin’izay teo amin’ny Parlemanta roa tonta, dia ny Antenimierandoholona Malagasy sy ny Antenimierandoholona Frantsay ny dinika, hoy ny tatitra. Anisan’ny noresahana ihany koa ny mahakasika ny “Assise de la coopération décentralisée” izay ho tanterahana eto Madagasikara eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Antenimierandoholona Frantsay sy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Malagasy. Io fihaonambe io dia entina hanamafisana ny traikefa sy hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana an'ny firenena roa tonta, ka hitsangana tsy ho ela ny vaomiera ara-teknika hanomanana izany, hoy ny vaovaon’ny Antenimierandoholona. Misy dikany sy lanjany lehibe izany eo amin’ny sehatry ny diplaomasia sy ny politika, indrindra fa taorian’ny fahavitan’ny fifidianana teto Madagasikara. I Lafrantsa izay tsy miala lavitra fa eo hatrany manoloana ny toe-draharaha miseho eto Madagasikara, indrindra fa ny politika. Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny no ilazana, fa saika nandalim-pahaizana tany Lafrantsa ny ankamaroan’ireo Minisitra notendrena ho mpikamban’ny governemanta ny alahady lasa teo. Fomba fanao ihany koa moa ny fifampitsidihana amin’ny fiandohan’ny taona tahaka izao, ka sehatra maro samihafa no tsidihin’io Ambasadaoro Frantsay io, raha tsy hilaza afatsy Fikambanana, sekoly,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT