Politique

Diplaomasia sy finoana Nihaona tamin’ny Papa ny Filoha mianakavy


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Tanteraka omaly17 ogositra 2023 tao Vatican, Roma ny fihaonana fahatelo teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Papa Ray Masina François,

izay voalaza araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika fa niompana tamin’ny fifandraisana diplaomatika sy vavaka. Nisy ny fihaonana manokana teo amin'ny roa tonta tao amin'ny Fiketrahana masina. Nisongadina ny vavaka sy tso-drano nataon'ny Papa ho an'ny Filoha Andry Rajoelina manokana sy ho an'ny fianakaviany ary ny vahoaka malagasy manontolo, hoy hatrany ny tatitra. Mahatsiaro sy mitondra am-bavaka manokana an'i Madagasikara isanandro ny Papa, hoy izy. Nanao vavaka Avé Maria niaraka tamin'ny Filoha sy ny vady aman-janany ny Papa namaranana ny fihaonana, raha ny notaterin’ny Fiadidian’ny Repoblika hatrany. Teo anoloan'ny sarin'i Masina Maria, izay fanomezana avy amin'ny Fiombonamben'ny Eveka malagasy ho an'ny Papa no nanaovana ny vavaka. Noraisin'ny sekretera lefitra eo anivon'ny Fiketrahana Masina misahana ny fifandraisana amin'ny Fanjakana , Mgr Miraslow Wachowski, ny Filoha taorian'izay. Niompana tamin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa diplaomatika eo amin'i Madagasikara sy Vatican ny resaka. Eo koa ny hisian'ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ato ho ato. Manaporofo ny fahamatoran'ny fifandraisan'ny roa tonta ny fandraisan'ny Fiangonana Katolika anjara mavitrika amin'ny sehatra fampandrosoana maro eto amin'ny firenena, ka anisan'izany fampianarana sy ny fahasalamana. Anisan'ny lohahevitra noresahina nandritra ny fihaonana koa ny fiantraikan'ny ady any Ukraine amin'ny firenena maneran-tany sy krizy maro hafa aty Afrika, hoy hatrany ny tatitra. Nangata-tsodrano amin’ny faniriany mbola ho kandida sy ho Filoha ve I Andry Rajoelina sa tahaka ny tamin’ny 2013 no hiseho 10 taona aty aoriana hoe: taorian’ny fihaonany tamin’ny Papa dia niala tsy ho Filohan’ny tetezamita izy rehefa vita ny fifidianana ka mba mety ho lasa endrika fitsidihana fanaovam-beloma ity natao ity?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT