Politique

Diplaomasia sy fiaraha-miasa Mety kokoa amin’i Lafrantsa ny Minisitry ny fitaterana ?


  • Talata 28 Febroary 2023

Herinandro taorian’ny fanendrena ny Minisitra Minisitry fitaterana vaovao Atoa Ramonjavelo Manambahoaka Valery,

 nga nitsidika azy avy hatrany ny Masoivoho Frantsay Arnaud Guillois niaraka tamin’ireo solontenan’nyy AFD (Agence Française de Développement) omaly 27 febroary, raha ny vaovao navoakan’io minisitera io. Nisy avy hatrany ny dinika ara-teknika mikasika ireo tetikasa goavan’ny Minisitera, ka nifantohana kokoa ireo herijim-piaraha-miasa eo amin’I Madagasikara amin’ny tetikasa samihafa. Anisan’izany ny fanitarana ny seranantsambon’Antsiranana, ny fanatsarana ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra eto Antananarivo mba hanatsarana ny fifamezivezena, ny fanamafisana ny faraha-miombon’antoka amin’ny AFD amin’ny sehatry ny fitaterana an-dalamby. Azo heverina ve ny zava-misy fa mety kokoa amin’ny Frantsay ny Minisitry ny fitaterana vaovao izay efa avy Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha mitaha amin’ny olona nodimbiasany teo amin’io Minisitera io? Midika ve izany fa hihazakazaka amin’izay ireo tetikasa lehibe tahaka ny teleferika izay avy amin’ny Frantsay ny ampahany betsaka amin’ny 151 tapitrisa dolara? Ankoatra ity fihaonan’ny minisitry ny ny fitaterana sy ny Ambasadaoro Frantsay io moa, dia nosoniavin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ity Ambasadaoro ity omaly 27 febroary 2023 tao amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Antaninarenina ny fifanarahana ara-bola mitentina 8,3 tapitrisa euros, avy amin’ny AFD ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA. Entin’izy ireo hanatanteraka tetikasa fanamboarana ireo sisin’ny arabe io fanampiana ara-bola io. Voakasik'izany ny fanamboarana ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra, fanamboarana lalana ho an'ny bisikilety, ny fanatsarana ny manodidina ny sekoly ary ny fanatsarana ny toerana fiandrasana fiara fitaterana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT