Nahazo lesona tamin’ny zava-nitranga tany Mali, Burkina Faso,
Niger i Frantsa ka mailo dia mailo momba ny tranga Madagasikara. Na dia nisy aza ny resabe hoe efa novotsotry ny Frantsay i Rajoelina, tsy dia mety tsara intsony ny fiarahana, na ny hoe mijery olona hafa hiaraha-miasa indray Lafrantsa, dia ny mifanohitra amin’izay no nitranga.
TSY HAMOTSOTRA
Manamafy ny maha mpiara-miombon’antoka manana ny maha izy azy amin’i Madagasikara i Lafrantsa, vonona hiara-hanohana an’i Madagasikara amina tetikasa goavana ho fampandrosoana ny firenena amin’ny 5 taona manaraka. Ary raha ny tena marina dia efa karazana fambara ny amin’izany ny tetikasa transport par Câble, na teleferika eto an-drenivohitra izay fampindramam-bola avy amin’ny Frantsay. Mety hoe resaka nanamaloka kely ny fifandraisana ny namoazana ny fitakiana ny Iles Eparses, saingy nanmpanigina tanteraka io resaka io ankehitriny, tahaka ny hoe tsy nisy. Misy mihevitra aza fa karazana sarimihetsika sy politika avo lenata ihany mba nambaboana ny fon’ny mpifidy sy ny vahoaka tamin’ny 2018 sy 2019 iny raharaha famerenana ny Nosy Manodidina iny. Ary miha mazava ny zava-drehetra ankehitriny fa tena aleon’i Lafrantsa manana olona azoony ifanarahana tsara eo amin’ny fitantanana an’i Madagasiikara, manampy izay olona manana ny zom-pirenena Frantsay. Tsy misy sakana intsony na dia kely monja aza amin’ny hahatsara ny fifandraisana izany.
NISY FIFANDAMINANA
Mafimafy kely mantsy ny fifaninana teo amin’ireo firenena samy goavana ho amin’ny fifandrasaian aty Afrika tato anatin’ny 15 teo ho eo izay satria nanindry mafy ny Sinoa , Indiana, Amerikana, tonga koa ny Rosiana. Somary very kely teo ny Frantsay saingy tsy nanaiky ho resy.Izy rahateo mahiratra amin’ny resaka fanangonam-baovao sy diplaomasia ary fampiasana ireo olony koa dia niasa mafy ireo. Tafiditra tao anatin’io adin’ny samy ngeza io i Madagasikara ary ny zava-misy taorian’ny fifidianana filoha farany teo iny no ahafahana maka tsao-kevitra fa nifandamina ny samy ngeza ka an’i Frantsa i Madagasikara fa tsy misy hafa mikitikitika. Hita hoe efa niomanana ny raharaha, karazana resaka mandany jiro ny ankoatr’izay. Manana anjara toerana saropady aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny tapany atsimon’i Afrika i Madagasikara, tany manana harena an-kibon’ny tany maro be, vato sarobidy, volamena, solitany…ny harena voajanahary hafa mbola manginy fotsiny ; mampitsiriritra ny maro izany dia io iaraha-mahita io fa nifandamina ireo firenena vaventy , mbola azo ihafiana hoy izy ireo ny mety tsy fahatomombanana tamin’ny fifidianana, tsy dia nisy akony ratsy hoe manao ahoana tany amin’ny vokatra koa dia samy nanaiky ry zareo ary haingana ben y fiarahabana sy ny fialzana fa vonona hiara-hiasa amin’ilay filoha voafidy. Fiaraha-miasa hampandros an’ Madagasikara tokoa ve izany fa fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoan’ny efa goavana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.