Diplaomasia, politika, toekarena

Kihon-dàlana lehibe ho an’i Madagasikara izao !


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Manomboka miditra lalina amin’ny toe-draharaha

eto Madagasikara ireo rafitra sy antanan-tohatra iraisam-pirenena. Nanapa-kevitra hanala antsika ny Vondrona Afikanina rehefa nosokajiana ho fanonganam-panjakana ny fijoroan’ny tafika rehefa nantsoin’ny vahoaka handray andraikitra. Namoaka ihany koa ny Firenena Mikambana na ny ONU tamin’ny alalan’i Stéphane Dujarric Mpitondra tenin’ny Sekretera Jeneraly António Guterres, fa manameloka ny fiovam-pitantanana ivelan’ny lalàmpanorenena, ka miantso ny hiverenana amin’ny lamina voafaritry ny lalàmpanorenana. Ny mahagaga amin’ny toe-javatra toy fotsiny raha hiresaka manokana ny Vondrona Afrikanina dia ny hoe : taiza sy nanao inona ry zareo teo anatrehan’ny jadona sy habibiana ary famonoana vahoaka tafiditra anatin’ny « crime contre l’humanité » izay voafaritry ny andininy faha-7 amin’ny Statut de Rome nosoniavin’i Madagasikara ny taona 1998 sy namafisina ny 2008 ? Tsy hitan’ny Afrikanina ny habibiana nitifirana olona maro izay matin’ny bala tena izy, ny fahafatesana zaza tsy manan-tsiny noho ny lakrimozenina, fandorana olona velona,… Ny Kaomisera ambony misahana ny zon’olombelona teo anivon’ny ONU no nanameloka ny zava-misy fa tsy tena nisy fepetra noraisina. Ny Filoha teo am-perin’asa no nitsoaka, namarin’ny HCC ny fahabangana, ny depiote no nanongana azy araka ny lalàmpanorenena,… Nilaza fa vonona ny SADC handray anjara amin’ny fifampiraharahana eto Madagasikara amin’ny maha-mpampihavana azy. Nankatoavina ny fandefasana maika iraka ara-teknika izay ahitana ireo firenena mpikambana ao amin’ny Troïka, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Sekretarian’ny SADC, izay hiandraikitra ny fanatanterahana iraka fanamarinana zava-misy eto Madagasikara alohan’ny 22 Oktobra 2025, ary hanolotra ny tatitra amin’ny Filohan’ny Sampana alohan’ny 31 Oktobra 2025. Mandritra izany, nomena andraikitra ny Sekretarian’ny SADC hanao fifampidinihana amin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika toy ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI), ny Firaisan’i Afrika (UA) ary ny Firenena Mikambana (ONU),… Misy ny « principe de subsidiarité » eo amin’ny lafiny antanan-tohatra iraisam-pirenena, ka ireo rafitra araka ny antanan-tohatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena aloha no miteny.
FOTOANA HANANGANANA FIRENENA
Tsy afaka hiolonolona eto isika, ary tsy afaka hanilika ny fianakaviambe iraisam-pirenena, fa mila mametraka paikady mahomby sy malalaka ihany koa amin’ny safidy sy làlana heverintsika hitondrana ny Firenentsika. Mazava fa hanao ny fomba rehetra hitazonana ny tombotsoa eto ny Firenen-dehibe izay tena mamikitra sy mifehy ny toekarena,... Fotoana izao hametrahantsika ny maha izy antsika, ka rehefa midingin-drambo ny Tandrefana mety ho any amin’ny Tatsinanana no làlana. Manan-tsafidy isika amin’ny diplaomasia politika sy diplaomasia ara-toekerana ary tsy vao isika no nesorina tahaka izao, fa ohatra velona i Burkina Faso. Ny finiavana hanarina sy hanorina Firenena no zava-dehibe. Tsy midika ho manangam-pahavalo amin’ireo rafitra misy, fa mila mametraka ny maha antsika antsika, ny lamina tena hananganana firenena mahomby sy mandroso isika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT