Sarotra ve ny ahitan’ny frantsay hirika ahafahana miara-mitantana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara na Iles Eparses manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny sa inona no antony
nampangingina ity raharaha ity tato ho ato teto amin’ny firenena raha toa ka misoko mora mampahatsiahy ireo haino aman-jery frantsay fa azy ireo ny nosy Eparsa ? Efa namerimberina moa ireo antoko politika sy fikambanana samihafa miady ny amin’ny tokony hanomezana ambongadiny ny fitantanana ireo nosy ireo an’i Madagasikara fa tsy misy antony na ny kely aza tokony hiaraha-mitantana izany amin’ny frantsay. Havendranana izany, hoy ny fikambanana nosy Malagasy na ANM, satria ny firenena mikambana mihitsy no efa nilaza fa antsika ireo nosy ireo. Vitantsika irery ny mitantana ireo nosy ireo, hoy koa ny antoko Teza. Araka ny fifanarahana nataon’ny frantsay tamin’ny governemanta Malagasy nosoniavina tao Saint Denis, La Réunion, ny 14 aprily 2005, dia na ity nosy frantsay voalaza farany ity aza dia tsy tafiditra ao anaty maridrefy (delimitation) ahafahany manana fahefana amin’ireo nosy ireo satria dia latsaky ny 400 milles nautiques ny elanelany amin’i Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.