Nanambara ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ny “Îles Eparses” sy ny fiandrinany hiverina amintsika ny Rosianina tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony eto Andrey Andreev nandritra ny fivoriamben’ny fikambanana
Les Amis de Russie à Madagascar” ny 17 septambra lasa teo. Misy lanjany goavana ara-diplaomasia io, indrindra fa teo anatrehan’ny fisafidiananan’I Madagasikara tsy hiandany amin’ny atsy na ny aroa manoloana ny fanafihana ataon’I Russie amin’I Ukraine. Mifanindran-dàlana aminin’io, voalaza fa mamparisarisa ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’I Madagasikara ny Frantsa ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-tafika amin’ny Rosianina natao ny martsa 2020. Ny 29 septambra 2022 izao ihany koa no hanamarihana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika eo amin’I Madagasikara sy Rosia. Nilaza ny Ambasadaorony, fa tetikasa maro no iarahana toy ny ara-toekarena, sosialy sy kolontsaina, izay efa ao anarin’ny adihevitra ny fanomezana fanampiana momba ny maha olona mitohy sy ny fanomezana vatsim-pianarana 26 isan-taona izay ifanarahan’ny firenena roa tonta. Manamafy ny fidirany an-tsehatra eto ny Rosianina, izay tsy vao izao fa efa hatrany amin’ny fifidianana filoha farany no nalaza fa misy kandidany maromaro. Voasokajy ho toerana iasan’ny “Wagner” izay kazarana vondrona mpikaraman’ady ivelan’ny tafika Rosianina I Madagasikara, saingy nisy moa ny fandisoana izany nataon’ny Fanjakana. Etsy andaniny, manao tsindry ankolaka ara-diplaomatika ny Vondrona Eorpeanina sy ireo firenen-dehibe ao anatiny sy ny mpiara-dia aminy. Miditra amin’ny andiany faha-77 amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ka inona indray no hambaran’ny Filoha izay lasa any New York? Azo antoka fa tsy hiova firy amin’ny efa nambarany hatrizay, ary na hiova aza tsy dia misy antenaina firy aminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.