Politique

Diplaomasia malagasy Vao mainka nanidy trano ny FAT


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Voatendry ny alarobia 24 febroary 2010 nandritra ny filankevitry ny Minisitra notarihin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT), Andry Rajoelina ny Praiminisitra lefitra misahana ny raharahambahiny, ka ny vice-amiral Hippolyte Ramaroson no hitana izany toerana izany, manomboka izao, hisolo toerana an’i Ny Hasina Andriamanjato, nametra-pialana tapa-bolana lasa izay rehefa nitana io andraikitra io nandritra ny 12 volana.

 

Anio alakamisy 25 febroary amin’ny 11 ora no hatao ao Anosy ny famindram-pahefana eo amin’ny roa tonta.
 
Sarotra ny fanendrena matoa tapa-bolana aty aorian’ny fametraham-pialan’ny tompon-toerana vao nisy fanendrena. Anarana maro rahateo no re teny ho eny fa mety hotendrena ho lehiben’ny diplaomasia malagasy io. Voatonona tamin’izany ny anaran’i Annick Rajaona, talen’ny fifandraisana ankehitriny eo anivon’ny fiadidiana ny FAT sady mpitondra tenin’i Andry Rajoelina rahateo. Teo koa i Rinah Rakotomanga, mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny ambasady malagasy any Parisy Frantsa sady mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny FAT ihany koa, ary i Maxime Zafera, mpanolotsaina diplaomatikan’ny Praiminisitra Vital. Fa ny vice-amiral Hippolyte Ramaroson, avy amin’ny tafika an-dranomasina, no naharesy lahatra an’i Andry Rajoelina. Enina aminy izany izao no miaramila, amin’ireo 32 mpikambana eo anivon’ny governemanta, dia ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny kolonely Camille Vital, ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala, ny kolonely Randriamiandrisoa Calixte, ny Minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur general de la Police, Rakotomihantarizaka Rémy Sylvain Organès ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Ravelomanana Claude.
Ho an’ny mpandinika dia vao mainka nanidy trano ny Fahefana Avon’ny Tetezamita amin’ny nanendrena ny vice-amiral Hippolyte Ramaroson ho lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Izy no manamboninahitra ambony grady indrindra amin’ny tafika amperin’asa, ary namindran’ny filoha Marc Ravalomanana ny fahefana anatin’ny Fitondrana Miaramila ny 17 martsa 2009, ary namindra izany tsy niera tamin’i Andry Rajoelina na tsy mbola voatsangana akory aza ny Fitondrana Miaramila. Ny fihetsika sy ny fanapahan-keviny tao amin’ny Episcopat Antanimena nitohy tao amin’ny Capsat Soanierana io 17 martsa 2009 io no anisan’ny nitarika ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Midika io fa olona akaiky ary azo ambara fa tanan-kavanan’i Andry Rajoelina, saika niara-dia taminy hatrany tamin’ny fandresen-dahatra ny sehatra iraisam-pirenena tany ivelany, ny vice-amiral Hippolyte. Anisan’ny delegasiona niara-dia tamin’i Ny Hasina Andriamanjato tany Addis Abeba ny faran’ny volana aprily 2009, nikasa ny handresy lahatra ny Vondrona Afrikanina saingy niveri-maina avy any. Anisan’ireo nandeha tany Bruxelles, nandresy lahatra ny Vondrona Eoropeanina ny volana jolay 2009 amin’ny hahazoana famatsiam-bola sy ny fankatoavana iraisam-pirenena, fa niveri-maina ihany koa. Ankehitriny anefa dia mbola ny vice-amiral Hippolyte no nanankinan’i Andry Rajoelina ny diplaomasia, ka hanao ny iraka handresy lahatra izao tontolo izao hankato ny fitondrana FAT, handresy lahatra ny mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. An-daniny, sarotra ny hahafahan’ny olona nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana mandresy lahatra ny fianakaviambe irasam-pirenena, ny mifanohitra amin’izay aza no mety hitranga dia ny hilatsahan’ny sazy, satria ny fanendrena azy dia midika fa tsy mivonona ny hifanatona amin’ny ankolafy telo Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana hiverina hifampidinika an-databatra boribory hamahana ny krizy i Andry Rajoelina sy ny ankolafy tarihiny. An-kilan’izay dia na izay ho fifampitondrana eo anivon’ny governemanta aza, handringa ihany eo amin’ny samy manamboninahitra satria dia kolonely no hibaiko amiraly, eny fa na dia toerana politika aza no raisin’izy ireo.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT