Politique

Diplaomasia Hakaton’i Norvezy ny ambasadiny eto


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Mibahana amin’ny vaovao tato anatin’ny herinandro teo izay ny resaka fifandraisana iraisam-pirenena anatin’izany ny diplaomasia,

izay niafara tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Randriamandrato Richard. Noho ity farany nampangaina ho nanapa-kevitra samirery namatotra an’i Madagasikara manameloka an’i Rosia manoloana ny raharaha any Okraina, nandritra ny latsa-bato tao amin’ny Firenena Mikambana ny 12 oktobra 2022. Fanapahan-kevitra izay nankasitrahan’i Etazonia, tamin’ny alalan’ny masovoivohony eto Madagasikara. Etsy ankilany, dia re koa izao fa hakaton’i Norvezy ny ambasadiny eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao dia efa nampahafantatra an-taratasy ny raharaham-bahiny etsy Anosy momba izany ry zareo Norveziana tamin’ny volana septambra lasa iny, ka hatramin’ny tapaky ny taona 2023 farafahatarany io fikatonana io. Ara-tantara dia hatrany amin’ny taona 1866 ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Norvezy, nisian’ireo misionera tonga teto. Maro ny sehatra niarahan’ny firenena roa tonta niasa, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fampianarana sy fanabeazana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanjakana tsara tantana, ny fiompiana sy fambolena nisian’ny FIFAMANOR tao Antsirabe, ireo tetikasa niarahana tamin’ny NORAD (Agence norvégienne de coopération au développement). Nanao tantsoroka tamin’ny fametrahana ny Bianco, Samifin, CLCC lasa CSI… ny governemanta Norveziana tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana. Heverin’ny mpandinika fa noho ny firongatry ny kolikoly sy gaboraraka eto amin’ny firenena no ambadik’izao fanapahan-kevitry Norvezy handao an’i Madagasikara izao. Re ihany anefa fa misy fanangonan-tsonia mandeha any ambadimbadika any handresen-dahatra ny governemanta norveziana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT