Naneho hevitra momba ny toe-draharaha
eto Madagasikara ny Filoha Frantsay Emmanuel Marcon nandritra ny fitsidihany tao amin’ny nosy Maorisy ny herinandro lasa teo. Araka ny filazany, i Madagasikara dia efa niditra lalina amin’ny fanovana lehibe. Nilaza fa i Frantsa dia nandray ny fanapahan-kevitry ny manampahefana Malagasy hamaly ny hetahetan’ny tanora izay naneho izany tamim-pahavononana sy tamim-pahintsiana, ary tokony hanohana izany. Navoitran’i Macron ny finiavana nasehon’ny manam-pahefana ankehitriny mizotra amin’ny tetezamita izay tokony hitarika amin’ny fanaovana fifidianana ao anatin’ny fe-potoana araka izay tokony ho izy. “Hanohana io tetezamita io i Frantsa amin’ny toe-tsaina misokatra, ary ny fanohanana dia homena laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy,” hoy ny nambarany. Ankoatra izany, mikasa ihany koa i Frantsa ny hanohana an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fampandrosoana ara-toekarena, ny tanora, ny angovo, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fananana tsy ara-dalàna, raha ny filazan’i Macron. Tsara ny mampahatsiahy fa fiaramanidin’ny tafika Frantsay no voalaza fa naka an’i Andry Rajoelina tany Sainte Marie ny volana oktobra teo, izany hoe nalain’i Lafrantsa ny olona. Iray volana aty aoriana, maneho ofisialy ny Filohany fa manohana ny Fanjakana eto Madagasikara ankehitriny. Naneho moa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Malagasy, kolonely Michael Randrianirina, raha nanontanian’ny Mpanao fampahamalalam-baovao Rosianina RT vao andro vitsy fa sady tsy nanamafy na nandà ny mety ho fivoahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina izay notanterahin’i Frantsa. Tsapa ho mailo sy mitandrina eo amin’ny lafiny diplaomasia, fa nilaza fa tsy manana antoka izy raha toa ka i Paris no nikarakara ny fitsoahana. Na izany aza, nanamafy izy fa io toe-javatra io no nahafahana nampihatra ny fanapahan-kevitra noraisina sy nametraka « manampahefana miaramila afaka mitarika ny firenena amin’ny fifampiresahana nasionaly mahasoa sy mandray anjara ». Mikasika ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy an’i Andry Rajoelina, nanazava ny kolonely Michael fa efa voafaritra ao amin’ny andininy faha-42 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. « Tsy nanao afa-tsy nampihatra ny lalàna izahay. Tsy fanapahan-kevitra nifantoka tamin’ny tenany manokana izany », hoy izy nanamafy.
MANANA TOMBOTSOA HAROVANA ETO I LAFRANTSA
Politika sy diplaomasia no resaka, tsy afaka hiololonolona eto isika, saingy betsaka ihany koa ny fanovana sy faharanitana mila hapetraka eto amin’ny lafiny diplaomasia politika, toekarena,... Na tiana na tsy tiana, manana tombotsoa goavana harovany eto ny Frantsay, ary mifehy sehatra stratejika maro. Tsapa tao anatin’ny fanombohan’ny fiovan’ny fitondrana teto, izay ny ambasadaoro Rosianina no isan’ny noraisin’ny Filoham-panjakana voalohany, narahin’ny Frantsay izao. Fotoana izao hametrahana ny diplaomasia mafy orina afaka tena hiady ho an’ny tombotsoam-pirenena. « Miara-miasa amin’ny iraisam-pirenena, tsy hoe teo ambany vahoan’ny Frantsay dia andao indray ho eo ambany vahoan’ny Rosianina fa hoe : iza ohatra ny Firenena sahy mividy ny vokatra vokarintsika amin’ny vidiny ambony ? », hoy ny fanehoan-kevitr’i Pr Jonah Ratsimbazafy tamin’ity herinandro ity. Isika no tokony ho masi-mandidy amin’ny làlana itondrana sy hanarenana ny firenentsika, toy ny nilazan’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo fa raha izay no tapaky ny « concertation nationale » hoe miala amin’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena isika ohatra, dia ataontsika izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.