Diovy i Madagasikara

«Anaty vanim-potoanan’ny kizo izao ny fanjakana malagasy!»


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

ny fanolorana samboadin’ireo depiote lany tamin’ny vovonana politika miaraka amin’ny fitondrana dia midika fitongilanana mihitsy, hoy ny filohan’ny Diovy i Madagasikara, Guy Maxime Ralaintseheno. Mitanila ny rafitra, hoy izy. Mitanila ny CENI. Tsy zava-baovao izany fa efa fantantsika hoe miteraka resabe foana ny mahakasika ny fanomanana ny fifidianana, ny lisi-pifidianana, ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Hitantsika ny fifidianana solombavambahoaka. Hitantsika ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy. Lesoka goavana izany dia io iaraha-mahita io. Tranga azo lazaina hoe tsy fahita manerana an’izao tontolo izao fa rehefa rafitra mahaleotena manomana fifidianana izany dia tokony hipetraka amin’izay maha mahaleotena izay. Ny antsika moa izany tsy izay fa voamarina ny efa voaresaka hatramin’izay hoe misy kolikoly ara-pifidianana io. Misy halatra io. Raha ny mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fitakiana 4x4 na fiara tsy mataho-dalana dia tsy vaovao koa izany fa izay solombavambahoaka rehetra tonga tsy mbola mba nisy niteny hoe tsy mila 4x4. Tsy mbola nisy depiote niteny hoe tsy mila 4x4 izany na hoe tsy mila tombontsoa izahay fa hiasa marina ho an’ny vahoaka nifidy anay! Izany aloha ny solombavambahoaka eto Madagasikara. Manao bizina dia mahazo vola dia mihazakazaka manao solombavambahoaka mba hanohizana an’ilay bizina. Izay no olom-boafidy eto Madagasikara. Androany tsy miankina, rahampitso miaraka amin’ny fitondram-panjakàna. Manaraka an’izay onjany sy itarihan’ny fanjakàna azy. Tsy gaga isika raha vitsy an’isa ny fanoherana dia manao 100% mifidy ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Mipetraka ho azy tsy misy fifidianana avy eo ny filohan’ny fanoherana. Manitsakitsaka lalàna daholo izany rehetra izany. Tsy misy ny fijoroana ara-politika tena miaro marina ny tombontsoan’ny olompirenena malagasy tsirairay avy sahirana tsy misotro rano sy miaina anaty delestazy. Tsy misy mpanao politika na antoko politika mijoro manoloana izany intsony afa-tsy vovonana mandinika adilahy na «Cellule de crise» Diovy i Madagasikara. Tsy misy vahaolana eto Madagasikara, raha tsy misy ny fanavaozana tanteraka ny rafi-pitantanana, raha tsy ny fanarahan-dalàna. Tsy misy afa-tsy ny fiverenantsika amin’ny tany tan-dalàna. Mihitsoka tanteraka amin’izao fotoana izao ny fanjakàna misy. Tafiditra anaty vanim-potoanan’ny kizo izao ny fanjakana malagasy. Rehefa anaty kizo tsy tokony hisisika ho any amin’ny lalan-diso fa tsy maintsy mandray fepetra iombonana izay tsy misy afa-tsy ny dinika. Dinika famahana ny olana ara-politika no ilaina, hoy hatrany ny Diovy i Madagasikara.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT