Politique

Dinika notarihin’ny USAID teny amin’ny CCI Nofoanana noho ny baiko midina?


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Nisy dinika nasionaly na “dialogue national” voalaza fa teo ambany fiahiana sy fitarihan’ny USAID na Sampan-draharaha Amerikanina momba

ny fampandrosoana iraisam-pirenena tokony ho nanomboka omaly 19 aprily ary haharitra 2 roa andro teny amin’ny CCI Ivato, saingy voalaza fa tsy raikitra. Raha ny loharanom-baovao, dia nisy ny baiko nidina nilaza hoe: “ajanony io”. Tsy fantatra mazava ny antony, ary andrasana ihany koa ny mety ho fanazavana ofisialy, fa raha ny fantatra ihany koa dia nisy olona tokony ho mpanamora na mpanentana an’izany no voalaza fa nasain’ny Minisitera nisy azy nesorina noho ny fanehoan-keviny tamin’ny haino aman-jery. Hafahafaha ity toe-javatra ity ka dia iandrasana fanazavana misimisy kokoa. Ny mampanahy dia ny hoe: tsy ahiana hiteraka olana ara-diplaomatika na “incident diplomatique” ve raha baiko sy tsindry avy amin’ny mpitondra tokoa no antony nanafoanana azy? Ahoana ny ho fihetsik’ireo mpiara-miombon’antoka na PTF?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT