Tsy ny vondrona politika DFP na ny dinika ho amin’ny fanavotam-pirenena velively akory no hanakana ny fahatongavan’ny vola nampanantenain’ny vondrona eoropeanina izay mitentina 10,2 miliara dolara,
hoy ny filohan’izy ireo Tolojanahary Maharavo na Doudou, raha nampahafantatra ny mety ho fiantraikan’ny fihaonan’ireo mpamatsy vola natao tany Parisy tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Toerana iray tetsy Ambohipo no nilazan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny ahiahiny mikasika ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny taorian’ny fahavitan’iny diniky ny mpamatsy vola iny. Araka ny nambaran’izy ireo dia tokony hataon’ny mpitondra laharam-pahamehana ny fitadiavana izay tena ahazoana io vola io amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fepetra napetraky ny vondrona eoropeanina fa efa mijaly ny vahoaka. Ny zava-misy anefa, hoy izy ireo, dia resaka fanovana governemanta indray no toa foto-dresaky ny fivorivoriany etsy sy eroa raha toa fiaraha-mitantana sy fandaharana mifanaraka amin’ny takian’ny vondrona eoropeanina sy ny soatoavintsika no andrasana aminy. Izahay ato amin’ny DFP dia hanao izay azonay atao hitadiavana ny hevitra ahazoantsika io vola io ary tokony hifanampy amin’izany ny fitondram-panjakana, hoy izy ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.