Politique

Dinika fanavotam-pirenena Manomboka anio any Fianarantsoa


  • Talata 17 Aprily 2018

Tontosaina anio sy rahampitso 18 aprily ny ao amin’ny Kolejy Masindahy Saint François Xavier Ambatomena Fianarantsoa ny atrik’asa nasionaly “Fanavotam-pirenena tena izy”, karakarain’ny K3F (Komitin’ny Fahamarinana-Fandriampahalemana-Fiadanana).

Tsara ny manamarika, fa teraka taorian’ny antso avo nataon’ny Fivondronamben’ny eveka eo anivon’ny fiangonana katolika ny 3KF, ahitana ray aman-dreny am-panahy, lahiaka, firaisamonim-pirenena,… Tanjona amin’io fihaonambe handraisan’ny herivelona sy fikambanana maro manerana ny nosy, mpanao politika, firaisamonim-pirenena, olon-tsotra,… anjara io ny hitondrana vahaolana hahafahana mamoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina sy tsy fandriampahalemana efa ho lava izao. Heverina fa hisy ny fehin-kevitra goavana aorian’ny dinika goavana atao any an-toerana, mba hisian’ny vahaolana na amin’ny ampahany fotsiny aza hoenti-mamaha ny olan’ny firenena. Maro ihany izay atrikasa sy fivoriana ary fehin-kevitra momba ny raharaham-pirenena eto amintsika izay. Efa nisy ny tondrozotra tamin’ny tetezamita, nanao izay ho afany ny FFKM tamin’ny fampihavanana, ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy efa nisolo fanindroany,… saingy niala maina hatreto, ka dia andrasana indray izay havoakan’ity Fanavotam-pirenena tena izy ity. Hahomby ve ny « fiovam-penitra mahery vaika »  hanafoanana ny tsy fandriampahalemana sy ny jadona isan’ny tanjona lehibe kendrena?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT