Politique

Difotry ny adim-piainana Tsy dia fantatry ny olona ny Tolom-panafahana 1947


  • Zoma 30 Martsa 2018

Tsy dia fantatry ny olona loatra amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny tanora ny tantara fonosin’ny datin’ny 29 martsa 1947, izay notsaroana omaly, nisian’ny tolom-panafahana namoizan’ireo Malagasy maro ny ainy mihitsy, mba hiverenan’ny fahaleovantena.

 

 Saika nilaza vaovao momba an’ity tolom-panafahana 1947 ity avokoa ny haino aman-jery, saingy betsaka ireo nivarotra toy ny hita tetsy Mahamasina izay nahavory mpiantsena maro tokoa. Toraka izany koa ny teny Isotry, Andravoahangy, Behoririka…. Vokatry ny adim-piainana no antony, araka ny fanadihadiana natao. Ho an’ireto tanora sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto, ohatra, dia mahalala ihany izy ireo saingy ny fitadiavam-bola no halaharam-pahamehana.

Annouska, tanora 21 taona : “Fotoana nisian’ny Tolom-panafahana ny datin’ny 29 martsa. Efa fahatsiarovana sisa ilay izy noho ny hasarotan’ny fiainana. Variana any amin’ny fitadiavana avokoa ny olon-drehetra”.

Ony, tanora 18 taona : “Ny tena tsaroako izao ny nisian’ireo razambentsika namoy ny ainy niady ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny mampalahelo anefa, tsy mbola tena mahaleotena isika e ! mbola miankin-doha amin’ny hafa foana”.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT