Didin’ny HCC mety hampisavorovoro

Aorian’ny 26 jona mba tsy hiantraika amin’ny fetim-pirenena…


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Tsy ho ela ny fambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana.

Raha ny resaka mandeha tsy ofisialy eny anivon’ny etamazaoro politika samihafa, ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka izany amin’ny fomba ofisialy ny HCC, ka tanjona ao anatin’io ny mba hisorohana ny mety ho lonilony na savorovoro politika aterak’izay mety ho valim-pifidianana eo fa hianoka fety am-pahatoniana sy am-pilaminana ny tsirairay. Misy ihany koa anefa ny resaka heno, fa mety ho an’io 24 jona io famoahana ny voka-pifidianana io amin’ny fomba ofisialy ka dia miandry ny rehetra hoe : ho izay tokoa ve ? Mbola fanontaniana mipetraka ihany mantsy ny hoe : ampy nikirakiran’ny HCC ireo fitoriana an’arivony mikasika ny fifidianana ve izay ny 16 andro nofaritan’ny lalàna hitsaran’izy ireo ny fitoriana samihafa taorian’ny famoaham-bokatra vonjimaika nataon’ny HCC ny 11 jona ? Tsy voatery ho tsy maintsy ao anatin’ilay 16 andro anefa ny famoahana izany. Misy rahateo ireo kandida indrindra fa avy amin’ny fanoherana nangataka ny hanaovana fitsarana ampahibemaso na « audience publique » saingy milaza fa tsy mba nahazo valiny avy amin’ny HCC hatreto, kanefa nisy kandidam-panjakana nangataka, ka nahazo avy hatrany. Betsaka noho izany ny nametra-panontaniana hoe : aiza ny « égalité de chance » na fampitoviana ny rehetra eo amin’ny lafiny fananana herijika eo anatrehan’izany ? Tsara ihany koa ny manamarika, fa tapitra tanteraka amin’ny 1 jolay ho avy izao ny taom-piasain’ireo depiote am-perin’asa 151 ankehitriny. Ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana moa no mamaritra, fa manao fivoriana avy hatrany ny antenimierampirenena ny talata faharoa manaraka ny fanambarana ny vokatry ny fifidianana azy mba hanangana ny biraony sy ny fanamboarana ny vaomiera. Manana zo amin’ny toeran’ny Filoha lefitra iray ny mpanohitra ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera farafahakeliny. Dia miandry ny sary hitranga etsy Ambohidahy izay heverina fa tsy ho ela sy ny eny Tsimbazaza izay mety mbola hisy adihevitra mangotraka ny resaka filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra izany ny rehetra. Mbola resaka hafa mialohan’izay anefa ny endri-javatra maneho fa mafanafana ny toe-draharaha toy ny hoe : hanao ahoana ny ho valin’ireo raharaham-pifanolanana goavana toy ny ao Faratsiho, Ambatofinandrahana,… ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT