Nandrasan’ny rehetra ny fanambarana nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka nandritra ny fanamarihana ny faha-42 taona niorenan’ny Antoko Arema teny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ny sabotsy 24 martsa lasa teo.
Nisafidy ny tsy hanao fanambarana goavana ny tenany satria fety no natao. Naneho ny fahafahampony sy namaly ny henjika isan-karazany natao taminy izy. Ny fahafaham-poko dia mbola ireo daholo ny zaza notezaiko. Nanampy olona hatrany izy, ka ny mpamafa trano tao Ambohitsorohitra izao efa niala 3 taona izay, ary efa tafita avokoa ny zanany. Raha nanao tahaka izany daholo ny olona nampiana tsy ho toy izao ny firenena, hoy ny sangisangy zary tena nataon’ny Amiraly Didier Ratsiraka. Nasiany teny ny momba ny fisamatsamahana ara-politika isan-kazarany, saingy ny zava-dehibe dia ny fanompoana firenena. Ataovy izay fomba rehetra hanompoana firenena na inona na inona misy anareo na mainty na fotsy na mena … Matetika mahazo kiana foana ny mpitondra mifanesy amin’ny resaka fangoronan-karena, ka nitondra fanazavana fohy sy toa naneho ny alahelony momba izany ny tenany. Nangalatra taiza aho dia nataoko aiza ? Ny mpitondra teo samy naka harena, nitondra fiara tsy mataho-dalana. Ny fiara R25 nomen’ny filoha frantsay François Mitterand anay aza namidin’olona. 40 taona taorian’ny mariazy izahay mivady vao nanao trano iray tany Ambodiatafana. Ny vola 1 tapitrisa Euros, famatsiam-bola azoko aza nandefasako mpianatra 75 tany ivelany. Ny zanany lahitokana, dia manao “chauffeur livreur” mba hamelomany ny vady aman-janany, araka ny nambaran-dRatsiraka. Tsotra ny nambarany dia ny hoe: “Ataovy hoe nangalatra aho raha izay no mety aminareo”. Hafatra nataony ho an’ny mpitondra amin’io resaka fangoronana harena kosa ny hoe: “mba matahora an’Andriamanitra”. Nambarany fa mba betsaka ihany no zavatra nataony teto amin’ity firenena ity. Ny zavatra nataonay aza, hoy izy, dia mbola misy vokany mandrak’ankehitriny, toy ny tohodrano famokarana herinaratra ao Andekaleka. Ny diso teto amin’ny firenena, dia izay olona nitondra krizy. Nanizingizina ny amiraly fa ny fampihavanam-pirenena ihany no fanalahidy tokana hanavotra an’i Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.