Fanambarana azo atao hoe manan-tantara amin’ny lafiny fifidianana mahakasika ny fametrahana ny fahafahan’ny Malagasy rehetra mifidy, indrindra ireo mila ravinahitra any ivelany (Diaspora).
Manamarika izany fa manana zo ny Malagasy hipetraka ivelan’ny firenena ary afaka manana ny fijereny amin’ny mpitondra sy rafitra hitantanana an’i Madagasikara. Firenena tena misy Malagasy betsaka indrindra dia i Frantsa. Azo atao tsara ny manatanteraka fifidianana saingy tsy maintsy apetraka ny fanovana ny lalàm-pifidianana, hametrahana ny pitsopitsony ilazana fa afaka mifidy ireo Malagasy rehetra feno taona ary voakasiky ny fifidianana. Ankoatra ny lisi-pifidianana nasionaly dia misy koa apetraka eo anivon’ny Masoivoho sy kaonsilà amin’ireny firenena ireny. Olana mipetraka anefa ireo Malagasy izay tonga taorian’ny fanoratana ny lisi-pifidianana sy ireo izay monina amina firenenaa mbola tsy hananan’i Madagasikara masoivoho. Ny masoivoho Malagasy any Moscou (Rosia) izao no miahy an’i Eoropa Atsinanana manontolo ka sarotra ny hanaovana fifidianana. Toy izany koa ny any Azia, izay tena midadasika kanefa ao Sina no misy ny masoivoho. Hanana solombavambahoaka ihany koa ve ny Diaspora ? Misy izany amin’ny firenena mandroso fa matetika ny loholona no misolotena ny olona ivelan’ny firenena misy azy. Raha manaraka ny toetrandro isika ka tsy eo amin’ny lalàna ihany no hanaovana azy, indrindra eo amin’ny fampiharana ny lalàna dia mila atao satria solontenan’ny Malagasy any ivelany izy ireo. Raha ny tombana aloha dia moramora kokoa ny misoroka izany satria vitsy ny isan’izy ireo. Ny biraom-pifidianana rahateo dia eo anivon’ny masoivoho ka moramora ny manisa azy ireo satria mety an-jatony, an’arivony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.