Misy fotoana andinihana ary misy fotoana itenenana, hoy Tolojanahary Maharavo na Doudou, mpitarika ireo hetsika sy vovonana politika dinika ho fanavotam-pirenena (DFP) sy Force de changement (FDC), omaly, raha niverina naneho hevitra tetsy amin’ny fonenany etsy Ambohipo.
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy dia tsy maintsy hiteny ny DFP, hoy izy. Mankasitraka ny rehetra nanohina ny fivorian’ny K3F tany Fianarantsoa. Misaotra ireo depiote sy vahoaka malagasy nijoro tamim-pasahiana naneho hevitra. Midika ireny fa tsy ny filazana hoe tany tan-dalàna no hanafoana zo. Efa tamin’ny 2016 izahay, hoy izy, no niteny fa tsy madio ny raharaham-panjakana. Niantso fifampidinihana. Efa izao no mitranga vao miantso izany ny mpitondra. Miantso ny DFP sy FDC rehetra manerana ny nosy mba hanohana ny antson’ireo depiote mpanohitra ireo, hoy hatrany izy. Aoka anefa isika samy hitandrina mba tsy handiso fanantenana ny vahoaka malagasy intsony ka ho avadiky ny olona ho fanonganam-panjakana indray ny fitakiana zo toy ity tarihin’ireo depiote ity. Ny olana hatramin’izay rehefa mandeha ny tolona dia misy mpanao politika milingilingy manao « auto – proclamation » dia hivadika zavatra hafa io avy. Hamafiso indrindra, hoy hatrany ny tenany, ny hetsika isam-paritra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.