Désiré Ranaivoson

«Miditra amina fotoana hametrahana


  • Talata 14 Oktobra 2025

repoblika vaovao isika»

Niainga tamina fitakiana notarihin’ny tanora nipaka tamin’ny olompirenena manontolo ny tolona iainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny mpampianatra, mpandalina tantara, filohan’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson. Ankehitriny, hoy izy, izany fitakiana izany dia tsy nijanona ho tekinika tsotra fa fitakiana fanovàna mahery vaika mihitsy ho an’ny firenena. Miroso amina tantara vaovao no dikan’izany ny firenena malagasy. Miandalana io. Mampahatsiahy ny tranga tamin’ny 1991 ny zava-misy ankehitriny satria an-tenantenan’ny fotoam-piasàn’ny filohan’ny repoblika no nisy fanovàna. Toy izany koa toy izany koa ny 2009. Mitaky fanovàna mahery vaika fa tsy fanoloana olona fotsiny io no dikan’izay. Miditra amina fotoana hametrahana repoblika vaovao isika satria tsy afaka hiaina amin’io rafitra efa hita hatramin’izay ny tsy fetezany io intsony isika. Tsy rafitra fotsiny nefa no vahaolana fa sady vahaolana tekinika no ara-toekarena no ara-politika sy ara-drafitra. Ny lafim-piainan’ny malagasy manontolo mihitsy no mila fanovàna. Ny dikan’izay dia mitaky olona manan-tsaina, manan-kevitra mivondrona hamolavola zavatra sahaza sy mendrika ny malagasy mba tsy hisy ny fahadisoam-panantenana. Rafitra tsy sahaza ny malagasy, tsy miorina amin’ny soatoavina malagasy no teo dia saika niova repoblika foana isika isaky ny 16 taona hatramin’ny repoblika faharoa. Akanjo tsy atonona no nanaovana. Randrana sy manendrika no nisalorana. Tonga ny fotoana, tokony ho randrana manendrika ny malagasy fa tsy ny hafa no hisaloràntsika. Ny soatoavina malagasy no tokony ho fototra voalohany! Tsy rafitra fa soatoavina. Ny soatoavina enti-mitondra voalohany dia ny fanjakàna teny ieràna, iaraha-mihevitra. Raha vao jadon’olon-tokana no manjàka dia mikomy foana io vahoaka malagasy io. Tantara hatramin’ny faha mpanjaka izany. Ny fiovàna hatramin’ny faha mpanjaka nankaty amin’ny repoblika dia niainga tamin’ny fanaovana jadona. Rehefa mitovy ny anton-javatra dia mitovy ny vokatra aterany na hoe «Les mêmes causes produits les mêmes effet.», hoy ny frantsay. Mila hajaina manomboka eto ny soatoavin’ny teny ieràna no dikan’izany. Faharoa, mila fanjakàna manome hasina ny vahoaka,manaja ny marina, rariny, hintsiny. Ny kely manana ny azy. Ny be manana ny azy, hoy ny Ntaolo. Matoa ny malagasy rehetra amin’izao mahatsiaro tsy voakarakara ny lafiny sosialy sy ny rehetra, ao anatiny koa ny hoe kolikoly, dia satria tsy misy ny fanajàna ny marina, ny rariny, ny hintsiny. Tsy misy ny mangarahara. Fahatelo, fanjakàna mampandray anjara ny vahoaka. Ohatrany miraviravy tanana izao io ny fokonolona satria sefo fokontany avy aty ambony no apetraka fa tsy ny fokonolona izay miaina sy mihevitra ny fampandrosoana eny ifotony. Ilaina ny fanomezana fahefàna, andraikitra ny vahoaka amin’ny asa fampandrosoana. Tsy mety amin’ny vahoaka malagasy izany tompony mangataka atiny izany. Eto aminy ny harena, ny enti-manana rehetra nefa izy miaina anaty fahantràna. Tonga ny fotoana, tokony mba omena sehatra ny malagasy mba hisitraka ny harem-pirenena eo aminy. Ny isany ngeza be indrindra dia ny vahaolana tekinika. Manana manam-pahaizana malagasy betsaka nanolotra vahaolana tonga dia azo raisina, hampiharina isika. Mahaleotena arak’angovo isika. Voavaha ny olan’ny delestazy, misy asa miforona, misy harena miforona nefa dia tsy neverina izany. Mila angonina ireny manam-pahaizana nanolotra vahaolana ireny dia omen-kasina hanangana ho an’ny firenena malagasy satria ireo fitakiana sendika ireo tsy mora. Mila mamorona harena be dia be isika ahafahana mamaly ireo fitakiana sendikaly ireo. Raha mbola tombontsoan’olom-bitsy no arovana eto dia mbola hiady sy hitolona foana io malagasy io na afaka firy taona firy taona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT