Politique

Désiré Ranaivoson “Aza tazanim-potsiny ity firenena an-dalam-paharavana ity!”


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Ny atao hoe didy jadona, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson,

namarana ny kaongresin’ity antoko ity tetsy amin’ny Astauria Antanimena ny sabotsy teo dia tsy ireny fanakanana ataon’ny EMMOREG ireny tamin’ny andron’ny Ntaolon-drazantsika fa ny tsy fisian’ny teny ierana. Baikon’olon-tokana sy tenin’olona tokana, hoy izy, no atao hoe jadona. Ny antsoina hoe fanjakana teny ierana kosa dia iaraha-mihevitra ny raharaha. Tsy marimaritra iraisana ka hoe atambatambatra ao ny mampetipety ny rehetra no atao hoe teny ierana. Ilay hevitra iarahan’ny rehetra mamolavola ary eken’ny rehetra io no mety sy arahana ka izay miala amin’io dia tsy ekentsika iaraka amintsika. Izany no nahatonga ny hoe tain’omby mivadika aza tsy misy maka. Raha misy olona iray mialangalana amin’ny fanaovana tranon’olona iarahan’ny rehetra dia ny olona rehetra no miara-mandrava ny trano ahoriny amin’ny fotoana hanorenany izany. Mila averina ny soatoavina toy izany ary ny antoko Marina dia mivoy ny hoe mila fifampiresahana, fifampidinihana firaisankina. Tsy misy an’izany no mahatonga ny firenena ho toy izao no hiafarany. Tsy mpandrava fiarahamonina isika fa mpanangana fiarahamonina. Mifamatotra ny mpitondra sy entina no dikan’izany. Aza tazanim-potsiny ity firenena an-dalam-paharavana ity fa mitsangana ry olo-marina! Tamin’izany asa tana-maro no nanaovana an’i Betsimitatatra fa izao tsy mahavita toa an’io intsony satria isika efa mizarazara. Manana ny antsoina hoe CNAPMAD na “Centre national de production de matériel didactique” isika na foibem-pirenena hamokarana fitaovana enti-mampianatra sy mianatra. Any an-dafy anefa isika no manafatra boky ho an’ny zaza malagasy. Tsy vitantsika ve ny mampiasa ny fahaizan’ny malagasy hamokatra fitaovana ianaran’ny malagasy? Tsy maintsy ovaina izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT