Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny fitoriana mitaky ny fialan’ny fanalana ny filoham-pirenena amin’ny toerany noho ny fandatsahan-dra sy famonoana ny Malagasy mpiray tanindrazana, ka notakian’ny depiote ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Raha ny voalazan’ny andininy faha-167 ao amin’ny lalàmpanorenana moa, dia io andrim-panjakana sady rafi-pitsarana ambony indrindra io no hany fahefana afaka manasazy ny filoham-pirenena sy mandray io fitoriana io noho ny tsy mbola fijoroan’ny “Haute Cours de Justice” na ny HCJ hatramin’izao. Mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery sy ny lalàmpanorenana ny fitoriana ary manana zo hanao izany izahay, izay mangataka ny fialan’ny filoham-pirenena, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ankoatra io, mitaky ny fanadihadiana ny praiminisitra noho ny raharaha kolikoly avo lenta nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy ireto solombavambahoaka ireto. Mampametra-panontaniana ny tsy nisian’ny fanadihadiana, hoy hatrany izy ireo. Ianao no nihinana sy nampirisika, nefa izy ihany no henjehina, hoy ny depiote Christine Razanamahasoa. Voatonona hatrany tamin’ny kolikolin’i Claudine ny praiminisitra amin’ny maha minisitry ny atitany azy, ary tsenan’asa mifandraika amin’io minisitera io ny ankamaroan’ny raharaha nanenjehana azy. Miitatra ny raharaha ary mifoha ka raikitra amin’izay ny fitoriana ny praiminisitra. Tsara ny manamarika, fa niara-dia hatrany tamin’ireto depioten’ny fanovana ireto ny vahoaka, izay nilanja sorabaventy isan-karazany, toy ny hoe “Miala Rajao”, fanjakana mihosin-dra miala, sokafy ny MBS,… Raha ny fivoaran’ny fitakiana eny an-kianja, dia hiitatra isaky ny faritany, ka ireo depiote 73 mitsinjara isaky ny faritany misy azy no hitarika ny tolona, toy ny natao teto Antananarivo. Any Antsirabe no hanombohana azy anio. Manao antso avo ho an’ny sendika rehetra izy ireo araka ny nambaran’ny solombavambahoaka Tinoka Roberto, ary mampitandrina amin’ny sakantsakana. Mampitandrina ny mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika, izay ambarany ihany koa fa mbola mamatsy vola mandany volabe. “Miala Rajaonarimampianina amin’ny fotoana haingana dia haingana. Izahay tsy mila resaka hafa intsony, tsy mila fifanarahana ary ampy ny fotoana niandrasanay fifanarahana politika. Tsy mila izany intsony izahay, fa ianao miala no tadiavinay”, hoy hatrany ity depiote ity. Raha tsy misy ny fiovana, dia hanatitra fitoriana eny amin’ny fitsarana Anosy indray ny solombavambahoakan’ny fanovana sy ny vahoaka anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.