Depioten’ny fanoherana

Hitarika vahoaka eny an-dalambe ?


  • Talata 01 Jolay 2025

Namoaka horonantsary tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Filoham-pirenena 2023

ny Filoha lefitra faha-7 eo anivon’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko. Nasiana feo lafika an’ny depiote Fidèle Razarapiera izay miantso hoe : « Mila mitsangana ny Filoha lefitra Siteny, tariho ity raharaha ity,… fa hidona amin’ny rindrina ity firenena ity, aza avela hivarina an-kady ny Firenentsika, fa raha tsy misy solombavambahoaka mitsangana ho aron’ireto vahoaka maty amin’ny tsy fidiny ireto ». Izay no antom-pisian’ny filoha lefitra eo amin’ny Antenimierampirenena, hitarika. Mitsangana ianao, tariho izahay, tsy maninona manomboka amin’izay misy eo, fa anjarantsika ny miantso ireo namana hafa,… » . Mampitandremana izay hampitandrina fa rehefa mijoro ny filoha lefitra faha-7 dia mijoro isika. », hoy ny ampahan’ilay feo lafika. Andaniny, nilaza fa vonona hitsangana i Siteny Randrianasoloniaiko. « Vonona hitsangana aho ! Tsy ho an’ny tenako. Fa ho an’ny firenentsika. Vonona aho ho tonga feonareo. Vonona hanohitra, hijoro, sy hiady amin’ny tsy rariny. Tsy ho vita anefa izany fanovana izany raha tsy isika Solombavambahoaka no mitarika miaraka aminareo Vahoaka Malagasy. Tsy afaka mijery fotsiny isika. Tsy afaka mangina intsony. Tsy misy rahampitso ho an’ny firenena raha mbola mitohy izao fitondrana tsy mahomby izao. Potika ny toekarena. Resy ny vahoaka. Mihena ny fahefa-mividy. Tsy miakatra ny karama. Lalanam-pirenena simba. Fihariana potika. Fanantenana very. », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Samy mametra-panontaniana izany ny rehetra hoe : inona no ho endrik’ilay fijoroana ? Fanatsikafonana ao amin’ny Antenimierampirenena ireo zavatra lazaina fa tsy mety ? Hitarika vahoaka eny an-dalambe ? Hamerina ny fidinana an-dalambe toy ny nataon’ny depiote 73 tamin’ny 2018 ? Raha ny sary politika, tsy mety tafavoaka aloha ny fanoherana ao Tsimbazaza fa izay aroson’ny fahefana mpanatanteraka ao lany daholo. Ny resaka fitsipaham-pitokisana tsy mety mipasy satria volomboasary no betsaka. Hanao fitoriana samihafa tsy mahazo rariny,… Betsaka no mety miandry zavatra hafa toy ny fidinana an-dalambe fa moa tena ho sahy sy hijoro ve ireo mpitarika ? Betsaka ihany koa mantsy ireo tranga toa niteraka fahadisoam-panantenana ho an’ny olom-pirenena nataon’ny mpanao politika, toy ny nanomezana vahana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena rehefa nisafidy hanao propagandy ny kandida Siteny tamin’izany, ny hetsi-panoherana ny Base Toliara izay tsy nipoitra ny mpitarika fa matahotra hosamborina,… Na izany aza, miakatra ny fahatezeran’ny olona, ka raha misy ny tena fahasahiana politikan’ireo maneho fa hitsangana dia mety ho lasa lavitra ity…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT